Fitaizana : ‘ndeha ho resahana ny mikasika ny « burnout parental »
Maro tokoa ny fihetseham-po tsapa amin’ny fiainana maha ray aman-dreny. Ao ny hafaliana, ny fitiavana… ao ihany koa nefa ny tebibety sy ny karazana adin-tsaina. Rehefa tsy voalanjalanja ireo fihetseham-po ka ny fahasarotana no lasa mibahana dia mety hiteraka harerahana ara-tsaina lalina izany ka mitarika ny « burnout parental ». ‘Ndeha ho fantarina eto ny atao hoe « burnout parental », ny fambaran’izany sy ny vahaolana azo atao.
Inona no atao hoe « burnout parental » ?
Ny « burnout parental » dia harerahana ara-pihetseham-po, ara-batana sy ara-tsaina lalina sy mafy mety ho tsapan’ny ray aman-dreny nohon’ny rarintsaina maharitra mifandray amin’ny fitaizana sy fanabeazana ny zanany. Miseho amin’ny havizanana lalina, tsy fahaverezan’ny risi-po sy ny fahatsapana tsy fahafahana miatrika ny andraikitra maha ray aman-dreny.
Marina fa mety ho voakasik’ity olana ity avokoa ny ray aman-dreny rehetra, nefa kosa avo kokoa ny « risques » hahavoa ny ray na reny tokan-tena, ireo manana zanaka misy fahasembanana, ireo tototry ny asa aman-draharaha na ireo miaina anaty fahasahiranana ara-bola. Ny reny matetika no tena voakasiky ny « burnout parental ».
Inona avy ireo fambara tokony hahamailo ?
Tsy mipoitra tampoka ny « burnout parental ». Miseho tsikelikely izy io. Anisan’ireo fambara mpiseho ka tokony hahamailo ny :
-Fahatsapana harerahana lalina sy tsy mety misinda na efa naka aina àry ;
-Tsy fahatsapana fihetseham-po mahakasika ny zanaka, toy ny hoe tsy miraharaha azy ireo. Mety hahatsapa tezitra na voaelingelina amin’ny fisian’izy ireo mihintsy aza ;
-Tsy mahatsiaro fahafinaretana na fahafaham-po intsony. Ireo fotoana nahafaly sy nahafinaritra iarahana amin’ny zanaka lasa toy ny asa be ;
-Fahatsapana fa tsy ilaina na tsy mahavita azy. Mihevi-tena ho ray aman-dreny tsy mendrika, tsy mahay mitaiza ara-dalàna ny zanaka ;
-Fahikizitinana sy fahatezerana mafy. Mora tezitra, mora kizitina, mivazavaza sy tezitra mafy amin’ny zavatra kely ;
-Faharatsian’ny torimaso. Sarotra mahita tory, tapa-tory ;
-Fitokana monina. Tsy mazoto mifandray na mifanerasera amin’ny havana sy ny namana.
-Soritr’aretina ara-batana toy ny aretin’andoha, fanaintainan’ny hozatra, marary kibo, marefo ny hery fiarovana.
Inona ny vahaolana sy ny fisorohana azo atao ?
Raha mahatsiaro tena voakasik’ireo fambara voalaza ireo dia mila mitony tsara aloha. Ny dingana voalohany dia ny fihaikena fa mandalo fotoana sarotra ary fotoana izao hikarakarana ny tena. Anisan’ireo tsara atao ary ny :
-Fahafantarana ny fetran’ny tena. Tsy misy olona tonga lafatra sy mahavita ny zavatra rehetra. Samy manana ny fetran’ny zavatra vitany ary tsy manamelo-tena amin’izany ;
-Fangatahana fanampiana amin’ny hafa amin’ny fitaizana sy ny raharaha. Na dia kely aza ny fanampiana azo dia efa manova zavatra betsaka izany ;
-Fakana fotoana ho an’ny tena. Na dia 15 minitra isan’andro àry dia ampy. Manao zavatra tiana, toy mamaky boky, mihaino hira, mandeha tongotra kely, mikarakara ny endrika amam-bika… ;
-Firesahana amin’ny vady, na olona hitokisana, mihasika ny fihetseham-po sy ny zavatra hiainana manavesatra ny saina sy ny vatana. Mety manamaivana ny fanaovana izany ;
-Fikarakarana tena. Mihinana sakafo ara-pahasalamana, miezaka manao ampy torimaso, manao fanatanjahantena kely…