• Cours de change
  • 5088.44 AR
  • |
  • $4431.47 AR
Copyright Image : © Kamy Ndiamahazo
Image
Vaovao

Ambohipo : Lehilahy iray ahiahian'ny fianakaviany ho novonoim-badiny

25/05/2025 19:01 © Moov

Tovolahy vao erotrerony, lehibe tao Toamasina, antsoina hoe Théophan, no nodimandry ny alakamisy 22 may lasa teo. Manahy azy ho novonoim-badiny ny fianakaviany, raha nolazain-dravehivavy fa namono tena no nahafaty azy.

"Nahafantatra secret goavana momba ny vadiny ny zanakay Théophan dia novonoina. Tsy resy lahatra amin'ny filazana famonoan-tena izany izahay fa séquestration no nahafaty ny zanakay ", hoy ny fianakavian'ny maty.

Disadisan-tokantrano

"Maty novonoina ny havanay ary ilay vehivavy vadiny ihany no ahianay ho tompon'antoka ", hoy hatrany ny fianakavian'ny maty. Nizara ny alahelony tamin'ny tambazotra sosialy ny fianakaviana iray izay namoy zanaka lahy. Araka ny nambaran'izy ireo, nipetraka tao Ambohipo Antananarivo ralehilahy sy ny vadiny, vita soratra ara-panjakana tamin'ny volana novambra taona 2024. Tamin'ny herinandro teo nefa dia nisy disadisa tao an-tokantranon'izy ireo, ary voatantaran'ilay lehilahy tamin'ny akaiky azy izany.
Raha ny fanazavana azo, nahatratra fifandraisana hafahafa tamin'ny vadiny sy teratany vahiny ilay lehilahy. Voalaza fa "mpiantoka" azy, amin'ilay antsoin'ny tanora hoe "papasosy", io vazaha io. Nifandraisan'ilay tompom-bady ilay vazaka ka nanambarany ny marina rehetra, niaraka tamin'ny sary mariazy. Ny talata 20 may lasa teo no nitantara izany olana izany tamin'ny reniny i Théophan. Tamin'io andro io ihany nefa dia niantso ilay rafozam-baviny ihany koa ilay vehivavy ka sahy niteny hoe "nopotehin'ny zanakao ny financement-ko".
Nanomboka ny alarobia 21 may lasa teo dia niezaka niantso an-tariby an'i Théophan ny reniny sy ny iray tampo aminy saingy ilay vehivavy hatrany no nandray ny antso. Nanambara moa ilay vehivavy fa tsy afaka omeny finday aloha ny vadiny fa "nanao bétise ka mahazo punition". Ny alakamisy 22 may nefa, tamin'ny 4 ora hariva, niteny tamin'ny fianakaviam-badiny ravinanto fa nodimandry ralehilahy.

Fanadihadihana lalina

Hatreto aloha, tsy miala amin'ilay vadin'i Théophan ny ahiahin'ny fianakaviana. Ankoatra ilay disadisan-tokantrano mantsy, mampiahiahy tanteraka ny fihetsik'ilay vehivavy nony maty ny vadiny. Tsy nanaiky nampiditra ny razana tao an-tranon'izy ireo ilay vehivavy satria "tery ny trano", ka dia nandrasana teny amin'ny tranom-paty ny razana, nialoha ny nitondrana azy tany Toamasina. Fanampin'izany, tsy mba niara-niari-tory tamin'ireo fianakaviana ilay vehivavy sy ny reniny fa natory soa aman-tsara tany amin'ny trano fandraisam-bahiny.
Rehefa nojeren'ny fianakaviana ny vatana mangatsiaka dia nahitana mangana marobe, nefa nolazain'ilay vadiny fa "namono tena tamin'ny courant" ratompokolahy. Maromaro moa ireo sary nalain'ny fianakaviana mba ho porofo manoloana ny fitoriana izay napetraka eny amin'ny mpitandro ny filaminana. Maniry ny hahalala ny marina mikasika izao raharaha izao ny fianakavian'i Théophan, mba tsy ho afa-maina ny mpanao ratsy.

Lire la suite

Articles Similaires