Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 19 hatramin'ny 25 may 2025
Araho indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 19 hatramin'ny alahady 25 may 2025
Nosy-Be # Fotodrafitrasa maro no notokanana
Nanomboka ny alakamisy 22 may lasa teo ny fitsidihana ofisialy nataon'ny Fitondram-panjakana tao Nosy-Be, izay natomboka tamin'ny Filan-kevitry ny Minisitra. Ny zoma 23 may kosa dia nisesisesy ny fitokanana fotodrafitrasa, ka anisan'izany ny "Cité Ylang-Ylang" izay hahitana trano mora miisa 80. 79 ireo fianakaviana misitraka trano vaovao, fa ny iray kosa dia Birao hiasan'ireo tompon'andraikitra. Misy ihany koa ireo tany maromaro hamidy amin'ny vidiny mirary ka ny fanjakana no hiantoka ny fanajariana ny tany sy fanamboarana ireo fotodrafitrasa fototra toy ny lalana, sekoly, hopitaly, kaomisaria sns.
Notokanana ihany koa ny EPP manarapenitra, ka nampiavaka izany ny fisian'ny fitaovana informatika avolenta, hahafahan'ireo mpianatra misitraka fampianarana nomerika. Tsara ny manamarika fa nahazo fanomezana ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana CEPE.
FIM 2025 # Fahombiazana ilay Hetsika Ekonomika
Tratra ny tanjon'ny FIM 2025, dia ny fampifandraisana an'i Madagasikara amin'i Afrika. Orinasa sy mpandraharaha misehatra eto Madagasikara no nandray anjara tamin'izany. Nisy ny fampirantiana vokatra maro, ny fifanakalozan-kevitra sy ny fifampizarana isan-karazany. Samy nanao izay ampisongadinana ny vokatra sy ny fahaiza-manao ananany ireo mpandray anjara tsirairay mba hahita mpanjifa maharitra, indrindra hanokatra lalam-barotra eo amin'ny sehatra iraisampirenena.Tsikaritra fa tena mandroso tokoa ny fanodinana sakafo. Tsy mety lefy laza ihany koa ny asa tanana, vita amin'ny rofia, ny hoditra sy ny vy.
Nanamarika manokana ny FIM 2025 ny fandraisana anjaran'ireo vondrona goavana toy ny Fadintseranana Malagasy sy ny Base Toliara. Samy afaka nametraka fanontaniana izay manitikitika azy ny tsirairay tamin'izany.
Bakalorea 2025 # Tontosa ny adina lomano
Tontosa ny zoma 24 may lasa teo ny adina lomano, ho an'ireo mpianatra nisafidy izany teto Analamanga, teny amin'ny Piscine Olympique ANS Ampefiloha. Naroso izany ho fitsinjovana manokana ny mpiadina amin'ny taranja lomano amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina, satria mbola amin'ny 10 Jona ka hatramin'ny 20 Jona ho avy izao ny adina ara-panatanjahantena.
Mpianatra 278 no nisafidy ny taranja lomano ahitana ny sokajy rehetra raha manodidina ny 80000 ireo mpiadina ara-panatanjahan-tena.Nizotra am-pilaminana ny fanadinana ary feno ireo fepetra manodidina ny fiarovana ireo mpiadina nandritra ny fanadinana. Nampatsiahivin'ny tompon'andraikitra fa taranja tsy maintsy atao ny EPS ary mitarika tsy fahafahana avy hatrany amin'ny fanadinana bakalorea ny tsy fanatanterahana izany.
Fanarenana ny voafonja # Hamafisina ny fampiofanana arak'asa
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo, ny fotoam-pikatrohana ny amin’ny fampiofanana arak’asa ho an’ireo olona beazina ao anatin’ity toerana fanarenana ity, ny talata 20 may 2025. Tanjona ny hanomanana ireo voafonja hiverina eny anivon’ny fiarahamonina sy ny fitsinjovana ny mahaolona ireo voafonja ka afaka indray hiatrika ny fiainany aorian’ny fanefana ny sazy, mba tsy ho vesatry ny fiarahamonina. Miisa 48 ireo fikambanana manao asa soa sy ONG miara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana izany izay nampahafantarina ampahibemaso.
Hisy moa ny fanolorana fanamarinana mari-pahaizana ho an’ireo izay mahavita ny fampiofanana.
Famonjena anaty rano # Fanamafisana ny fahaiza-manaon'ireo mpamponja voina
Nanomboka ny 19 may lasa teo ny fiofanana manokana amin'ny famponjena anaty rano, ho an'ireo sapeur-pompiers. Noho ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpiara# miombon’antoka frantsay dia mpamonjy voina miisa 8 no mandray anjara amin’ny fiofanana amin’ny « sauvetage aquatique sur les eaux vives », hatramin'ny 30 may ho avy izao. Efa tontosa soa aman-tsara moa ny fanadinana 500 m amin’ny “nage libre” ao anatin’ny 12 mn, izay notakiana tamin'ireo mpandray anjara rehetra.
Tanjona amin'izany fiofanana izany ny fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny fanavotana olona amin’ny tranga vonjy taitra anaty rano. Voafetra tokoa mantsy ny fotoana ananana raha hanavotra olona latsaka an-drano.
Disadisan-tokantrano # Lehilahy iray ahiana ho novonoim-badiny
Tovolahy iray vao vita soratra tamin'ny novambra 2024 no nindaosin'ny fahafatesana. Nolazain'ny vadiny fa namono tena izy, nefa manahy an-dravehivavy ho nahavanon-doza ny fianakaviana.
Voalaza fa nisy disadisa teo amin'izy mivady, noho ny fahatratraran-dralehilahy fa manana "papasosy" teratany vahiny ramatoa. Tezitra mihitsy ity farany ka sahy niantso ny rafozam-baviny fa nanimba ny fidiram-bolany ralehilahy. Ilay tovolahy moa dia efa nitantara ny olana rehetra tamin-dreniny. Rehefa nodimandry àry ilay lehilahy, tsy neken-dravehivavy ny niandrasana azy tao amin'ny tokantranon'izy ireo. Teny amin'ny tranom-paty ny razana nialoha ny nitondrana azy tany Toamasina. Tsy niandry faty niaraka tamin'ny fianakaviana ilay vadiny fa nankany amin'ny trano fandraisam-bahiny niaraka tamin-dreniny.
Vavatenina # Hetsika fizarana zana-trondro
Tontosa ny sabotsy 24 may lasa teo ny hetsika fizarana zana-trondro tao amin’ny Distrikan’i Vavatenina, Faritra Analanjirofo. Ireo mpiompy trondro efa nisitraka fiofanana no nahazo zana-trondro tilapia miisa 5000 tsara kalitao. Ity hetsika ity dia tohana avy amin’ny tetikasa HAFA VELONTEGNA, izay vatsian’ny UNICEF vola. Ny tanjona lehibe dia ny hampiroborobo ny fihinanana trondro eo amin’ny vahoaka, satria ny trondro dia manome otrikaina tena ilaina ho an’ny vatantsika.
Nandritra ny lanonana, nanamafisana fa ny zana-trondro natolotra dia tsy vitan’ny hoe manampy amin’ny fanatsarana ny sakafo fa manampy koa amin’ny fampandrosoana ara-toekarena eo an-toerana. Ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga dia manohy manohana ny hetsika tahaka izao mba hiantohana fa ny fiompiana trondro dia sehatra iray maharitra sy mampidi-bola ho an’ny mpiompy ao Vavatenina sy ny manodidina.
Faritra Atsinanana # Fampiofanana ireo vehivavy mandritra ny 3 volana
Vehivavy miisa 150 no misitraka fampiofanana, atolotry ny ekipan'ny Fitaleavam-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina Atsinanana. Maromaro ireo seha-pihariana voakasika amin'izany, dia ny fanamboarana mofomamy, ny informatique, ny fanjairana, ny taovolo ary ny asa tanana.
Isaky ny larobia hariva sy ny sabotsy maraina ny fampiofanana, mandritra ny 3 volana. Tanjona moa ny fanamafisana ny fahaiza-manao ho an'ireo vehivavy sy ho fampizakantena ara-pihariana. Rehefa tontosa ny fiofanana dia mba ho mora kokoa ho an'ireo vehivavy ireo ny hikarakara ny tenany sy ny ankohonany, na hanangana orinasakely hitadiavam-bola.
Distrikan’i Tsihombe sy Ambovombe # Fakan-kevitra momba ny AMP Atimo Vata’e
Notontosaina nandritra ny telo andro, dia ny faha-20 hatramin'ny 22 May lasa teo ny fampidinihana teny ifotony momba ny « Aire Marine Protégée » na AMP Atimo Vata’e. Nahakasika ny Kaominina Ambanivohitra Faux Cap, Kaominina Ambanivohitra Anjapaly, Kaominina Ambanivohitra Maroalopoty, Kaominina Ambanivohitra Maroalomainty, Kaominina Ambanivohitra Ambazoa, ary Kaominina Ambanivohitra Erada izany.
Natao izany fakan-kevitra izao mba hanohizana ny dingana efa natomboka tamin’ny taona 2018 ho fametrahana ny Faritra Arovana Atimo Vata’e. Nandritra izany, nifanakalozan-kevitra ny amin’ny mety ho fiantraikan’ny AMP amin’ny lafiny sosialy sy tontolo iainana, ary koa ny vahaolana natolotry ny mpanjono mba hanatsarana ny vokatra an-dranomasina. Hita fa tena mafana fo sy vonona tanteraka ny mpanjono amin’ny fametrahana ny AMP Atimo Vata’e.