AI4GOOD Festival 2025 : Voasafidy ireo "films courts" hifaninanan'i Madagasikara
Fantatra ny sabotsy 24 may lasa teo ireo tanora malagasy hisolo tena an'i Madagasikara amin'ny AI4GOOD Festival Madagascar 2025. Hifanandrina amin'ireo mpifaninana avy any Comores, Île Maurice, Nouvelle-Calédonie ary Djibouti izy ireo.
Tontosa soa aman-tsara ny AI4GOOD Festival Madagascar 2025 nasionaly teto an-toerana, notohanan'ny Yas Madagascar. Ny famoronana "film court" (horonantsary fohy) na "jeux vidéos" amin'ny alalan'ny Intelligence Artificielle moa no nifantohana tamin'izany. Fifaninanana iraisampirenena mihitsy izy io : "concours mondial de films-courts et jeux vidéo produits avec l'assistance des IA", natokana ho an'ireo 12 hatramin'ny 25 taona. Noho izany indrindra, ireo mpandresy eto Madagasikara dia handray anjara amin'ny "Finale internationale", amin'ny fiandohan'ny volana jona.
Fampiasana ny teknolojia avolenta
Tsy afa-misaraka amin'ny olombelona intsony ny Intelligence Artificielle, ka izany indrindra no hitrandrahana azy hahazoana tombontsoa maro. Tamin'ity fifaninanana ity, tsy maintsy nampiasa ny fitaovana ara-teknolojia avolenta ireo mpifaninana, na dia nisy aza ireo tena mbola tsy nahafehy ny informatika akory.
Nizara sokajy maromaro ireo mpifaninana, ka ny mpandresy tsirairay isan-tsokajy no misolo tena an'i Madagasikara. Ny sokajy CODE BREAKERS, ho an'ireo 16 hatramin'ny 19 taona, dia i Josoa Manantsoa no nahazo ny amboara. Horonantsary mikasika ny fianakaviana moa no notontosainy tamin'izany, izay nampitondrainy ny lohateny hoe "L'amour de mon père ? C'est mon héros".
Ho an'ny Sokajy FUTURE DIRECTORS kosa, natokana ho an'ny 20 hatramin'ny 25 taona, dia i Vinciane Henintsoa no nahazo ny laharana voalohany. "L'œil Silencieux", horonantsary mikasika ny fitandremana amin'ny fiainana andavan'andro, no notontosainy.
Nisy ihany koa ny PIXEL EXPLORERS, ho an'ny zandriny indrindra, dia 12 hatramin'ny 15 taona. I Steffy Lovanirina Nourdine Raharimanantsoa, mpianatry ny ESCA Antanimena, no laharana voalohany. Horonantsary mitondra ny lohateny hoe "Le pouvoir d'une idée : L'intention qui sauve" no noforoniny tamin'ny alalan'ny AI.
Fanomanana
Fohy dia fohy, izany hoe herinandro teo ho eo ny nananan'ireo mpifaninana nahazoana ny vokatra nomerika nentina nifaninanana. Nisy moa ny fampiofanana fohy izay nanomezana toro samihafa ireo mpandray anjara, izay marihana hatrany fa tsy voatery ho efa manana traikefa amin'ny informatika. Natoro azy ireo ny karazana "logiciels" izay azo ampiasaina amin'ny famoronana "animation vidéo", miainga amin'ny hevitr'izy ireo tsirairay avy.
Ireo "films" efa nifaninanana teto Madagasikara ihany moa no entina mifaninana eo amin'ny sehatra iraisampirenena. Amin'ny fiandohan'ny volana jona moa no hanatanterahana ny fifantenana ireo asa vita rehetra ireo.