• Cours de change
  • 5088.44 AR
  • |
  • $4431.47 AR
Copyright Image : © Adn Yas
Image
Vaovao

AI4GOOD Festival Madagascar 2025 : Norombahin'ny mpianatry ny ESCA ny "Premier Prix PIXEL EXPLORERS"

26/05/2025 11:55 © Moov

Steffy Lovanirina, 15 taona, mpianatry ny ESCA Antananarivo, no nandrombaka ny "Premier Prix PIXEL EXPLORERS", nandritra ny AI4GOOD Festival Madagascar 2025

Namorona horonantsary mitondra ny lohateny hoe "Le pouvoir d'une idée : L'intention qui sauve" no nandrombahan'i Steffy ny amboara "Premier Prix PIXEL EXPLORERS". Ny sokajy Pixel Explorers moa dia nandraisan'ireo 12 hatramin'ny 15 taona anjara.

Famoronana miainga amin'ny IA

Tsy nilàna "tournage" akory ny fanaovana ireo horonantsary nifaninanana. Niaina tamin'ny fampiasana ireo "logiciels" isan-karazany manome lanja ny Intelligence artificielle mantsy ny famoronana. Nisy moa ny fampiofanana fohy nanoloran'ireo mpikarakara ireo toro rehetra tsara ho fantatra. Ho an'i Steffy manokana, tsy mbola matihanina mihitsy ny tenany eo amin'ny tontolon'ny informatika. Nanaraka tsara ireo toromarika rehetra nefa izy, sady niezaka nikaroka ihany koa, ka tafavoakany tsara ilay horonantsary.
"Herinandro teo ho eo no nanaovako ilay horonantsary. Nisy fotoana tsy natory mihitsy satria sady manenjika fianarana no mamorona ilay vidéo", hoy i Steffi. Tsy ny fahazoana ny amboara ihany no tena mahafaly azy, fa eo ihany koa ny traikefa rehetra izay azony. Araka ny nambaran'ireo tompon'andraikitry ny ESCA, anisan'ireo mpianatra mendrika sy mahay i Steffy. Nitondra ny lohateny hoe "Le pouvoir d'une idée : L'intention qui sauve" moa ilay horonantsary. Nisongadina tamin'izany ny tsilon-kevitra amin'ny fampidirana rano fisotro madio any amin'ny tontolo ambanivohitra. Anisan'ireo fepetra tamin'ilay fifaninana moa ny hoe tsy maintsy miresaka ny zava-misy amin'ny fiainana andavan'andro ireo mpifaninana.

Fifaninanana iraisampirenena

Fifaninanana iraisampirenena ny AI4GOOD Festival. Hifanandrina amin'i Comores, Île Maurice, Nouvelle-Calédonie ary Djibouti ireo Mpandresy teto Madagasikara, izay miisa 3. Misy sokajy 3 mantsy ny lalao, dia ny PIXEL EXPLORERS, ho an'ny 12 hatramin'ny 15 taona, ny CODE BREAKERS (16 hatramin'ny 19 taona) ary FUTURE DIRECTORS (20 hatramin'ny 25 taona).
Ireo horonantsary efa nahazo ny amboara teto Madagasikara ihany moa no hifaninanana amin'ny firenena hafa. Amin'ny fiandohan'ny volana jona ho avy izao no ho fantatra ireo mpandresin'ny AI4GOOD Festival 2025 eo amin'ny sehatra iraisampirenena.

Lire la suite

Articles Similaires