• Cours de change
  • 5088.44 AR
  • |
  • $4431.47 AR
Copyright Image : © Dredd Sofia
Image
Vaovao

Faritra arovana Sahamalaza ao Analalava : Fatidra, ho fiarovana ny tahirin-javaboahary

26/05/2025 12:25 © Moov.Mg

Ahitana ampahany amin’ny faritra arovana Sahamalaza ao Analalava, Faritra Sofia. Tahirin-javaboahary (réserve de biosphère) manan-danja izy ity, ka ampiasaina ny paikady maro ho fiarovana azy. Isan’ny fomba iray ny fampiasana ny fomban-drazana, dia ny fatidra izany, izay mampifamatotra ny mponina manodidina sy ny mpitantana ny valan-javaboahary.

Fati-dra, fomban-drazana saro-pady

Fomba nentim-paharazana sarobidy sy saro-pady amin’ny Malagasy ny fatidra, na fatodra ihany koa, ho an’ny olona sasany. Fomba fifanekena lalina, tsy azo ivadihana ary mampifamatotra ny oloan roa, na maromaro, hany ka miteraka fihavanana sy fifankatiavana mafy lavitra noho ny an’ny mpihavana iray ra. Izany mari-pihavanana izany no notontosaina tany amin’ny Kaominina Ambolobozo, Distrikan’Analalava, mba hahafahana manamafy ny fiarovana ny tontolo iainana sy ady atao amin’ny doro tanety. Ny 19 hatramin’ny 22 mey lasa teo no nanatontosana ny lanonana mifandraika amin’izany, ka omby miisa 2 no novonoina‚ nanaovana nofon-kena mitam-pihavanana.
Nanatrika ny fifanekena nifanaovan’ny vahoaka sy ny valanjavaboahary Sahamalaza ary ny mpitantana azy, ny talem-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ao amin’ny Faritra Sofia‚ ny Ben’ny tanànan’ny Kaominana Ambolobozo‚ ireo Sefo Fokontany miisa 21 manerana ny Kaominana‚ ireo Sojabe‚ ary ny mpiara-miombona antoka avy ao amin’ny Madagascar National Parks mitantana ny faritra arovana.

Tahirin-javaboahary arovana

Isan’ny nimasoana ny fanentanana sy famporisihana ny mponina, mba hisoroka sy hamono ny afo raha sendra misy izany. Nampaherezina ihany koa ireo komity ifotony miandraikitra ny valanjavaboahary (CLP) miisa 192. Ankoatra izay, nampahafantarina tamin’ireo vahoaka fa misy fandraisana mpiasa 30 isa hanara-maso ny afo, izay hapetraka isaky ny 500m manodidina ny faritra arovana.

Ny tahirin-javaboahary moa dia faritra arovana, ahitana rohivoahary (écosystème) an-tanety, an-dranomasina, amin’ny sisin-tany… ary nankatoavin’ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana ho an'ny Fanabeazana, ny Siansa sy ny Kolontsaina (UNESCO). Manan-danja be ho an’ny tontolo iainana ny tahirinjavaboahary, ka tena tokony arovana. Fa manana-danja be ihany koa ny olombelona miaina manodidina azy, ka tokony hisitraka ireo tombontsoa mety ho azo avy amin’ny fitrandrahana ny tahirin-javaboahary. Izany indrindra no antony hametrahana ireo mponina ifotony ho manana anjara andraikitra amin’ny fiarovana ireo rohivoahary, satria tombony ho azy ireo indrindra indrindra izany.

Lire la suite

Articles Similaires