• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Direction_Générale_Des_Douanes
Image
Vaovao

Nahatratrarana rongony indray tao amin'ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be

15/02/2023 08:40 © Moov.Mg

Rongony 09 kg mahery no tratra tao amin’ny seranam-piaramanidina Fascène, Nosy-Be.

Ny sampan-draharahan'ny fadintseranana ao amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ao Nosy-Be no nahatratra mpandeha iray teratany Tanzaniana niaraka tamin'ny rongony milanja 9.174 kg. Nafenin’ity mpandeha ity tao anaty valizy ireo rongony ireo. Tonga tamin’ny sidina Ethiopian Airlines ET837 ity mpandeha ity ny talata 14 febroary 2023. Nogiazana avy hatrany ireo rongony ary nosamborina ilay mpandeha. Araka ny fanazavan’ny sampandraharahan’ny Fadintseranana dia mbola mitohy ny fanadihadiana.

Andro vitsy monja taorian’ny nahatratrarana zava-mahadomelina izay nafenina tao anaty kojakoja fiara dia mbola mailo hatrany ny mpiasan’ny Fadintseranana ao amin’ny seranam-piaramanidina Nosy-Be. Manamafy ny maha zava-dehibe ny anjara asany amin’ny fanaraha-maso ny sisin-tany sy ny fiarovana ny olom-pirenena ny eo anivon’ny fadintseranana. Andro vitsy lasa izay dia nomen’ny filankevitry ny minisitra alalàna ny hananganana ny Direction de la Surveillance Douanière, izay misolo ny Service de la surveillance douanière.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo