Fifidianana Koaminaly : Nofoanana ny vokatra tamina birao fandatsaham-bato miisa 36 teto Antananarivo Renivohitra.
Nambaran’ny Fitsarana misahana ny ady amin'ny fanjakana na "Tribunal Administratif" Anosy, tamin’ny fomba ofisialy, tamin’ity anio ity ny voka-pifidianana kaominaly ho an’Antananarivo. Nandritra izany ihany koa no namoahan’izy ireo ny didy mikasika ny fitsarana ireo taratasim-pifidianana rehetra. Miisa 36 ireo nofoanana noho ny antony samihafa.
Fahasamihafana teo amin’ny isa
Raha ho an’Antananarivo manokana, ary araka ny fitsarana izay nataon’izy ireo mikasika iny fifidianana iny dia miisa 36 ny valim-pifidianana tamin’ny biraom-pifidianana nofoanana. Antony roa lehibe no tena nisongadina ka nandraisana izany fanapahan-kevitra izany. Voalohany amin’izany ny fahasamihafana teo amin’ny isa, na ny tao anatin’ny taratasy firaketan-tsonia sy ny isan’ny taratasin-datsa-bato izany na ny tao anatin’ny firaketana an-tsoratra (PV). Isan’ny nahitana izany ohatra ny teo amin’ny biraom-pifidianana EPP Ambohidahy, efitrano fahenina. Nahitana elanelana 78 ny isan’ny sonia tena hita marina tao anaty taratasy fanamafisan-tsonia sy ny isan’ny taratasy fandatsaham-bato. Teo ihany koa ireo tao amin’ny CEG Nanisana, efitrano fahasivy. Nahitana elanelana isa 36 satria niisa 296 ireo taratasim-pifidianana voaisa raha 260 ihany no nanao sonia. Mbola hafa ihany koa ny isa noraisina tao anaty firaketana an-tsoratra. Mitovitovy amin’izany avokoa ireo tao amin’ny EPP Ambohitsoa, birao roa ; ny tao amin’ny EPP Manakambahiny ; ny tao amin’ny EPP Ambohidahy efitrano miisa 2 ihany koa ary ny teny amin’ny EPP Anosipatrana efitrano iray.
Olana teo amin’ny sonia
Ankoatra izay tsy fitoviana teo amin’ny lafiny isa izay dia mbola nahitana olana ihany koa ny teo amin’ny sonia ka nanafoanana ireo vokatra sasany. Teo ny tsy fahatomombanana amin’ny sonia hita tamin’ireo lisitra na nahitana sonia hosoko tahaka ny tao EPP Anosipatrana, efitrano iray sy tao amin’ny EPP Anosizato Est. Nesorina kosa ireo vato nihoatra rehefa voamarina fa tsy ara-dalàna ny fisian’ireo zandary miisa 25 nifidy tao amin’ny EPP Andrefan’Ambohijanahary izay natao tao amin’ny tovana.
Manoloana izany tsy fahatomombanana teto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra izany anefa dia tsy nisy fiovana ny voka-pifidianana. I Harilala Ramanantsoa no voafidy no Ben’ny Tanàna, tamin’ny salan’isa 43.24%. Avy ao amin'ny vovonana Isika Rehetra Miaraka amin'i Andry Rajoelina ary hitondra mandritra ny 5 taona ny tananan'Antanananarivo Renivohitra indray ny tenany.



