Fampiasana lava-piringa sy fisotroana rano madio : Hisy fanentanana manokana any Amboasary Atsimo
Hanatanteraka fanentanana manokana mikasika ny hampiasana lava-piringa sy ny fahadiovana ary ny fisotroana rano madio ny Ministeran'ny Rano, ny Fidiovana sy ny Fanadiovana mandritra ny "Festival Caméléon" any Amboasary Atsimo, ny 13 hatramin'ny 15 jona ho avy izao.
"Fady mitahiry maloto" na zatra manao maloto ankalamanjana tsotr'izao ny ankamaroan'ny mponina any Atsimo, indrindra ireo any amin'ny toerana lavitra ny renivohitra. Noho ny kolontsaina sy ny lovantsofina matetika no mahatonga izany. Ho fiarovana ny fahasalamana sy ny tontolo iainana nefa, tsara raha manaja ny fahadiovana sy ny fidiovana ny rehetra.
Fanentanana sy fanolorana fitaovana
Fotoan-dehibe ivondronan'ny avy any Toliara I-II, Ambovombe, Taolagnaro sy ny faritra manodidina ny "Festival Caméléon" any Amboasary Atsimo. Maherin'ny 50 000 alina ireo mpandray anjara andrasana. Noho izany indrindra, hisy ny fampianarana sy fanentanana mikasika ny fampiasana lava-piringa. Ny fanaovana maloto an-kalamanjana, any anaty ala na eny amoron-dranomasina mantsy dia mandoto ny tontolo iainana, sady mety hanapoizina ireo biby isan-karazany. Tsy afa-bela amin'ny aretina samihafa ihany koa ny olombelona. Ankoatr'izay, tsy manintona mpanao fialan-tsasatra sy mpizahatany ny loto.
Fampisitrahana rano fisotro madio
Mitohy hatrany ihany koa ny tetikasa fampisitrahana rano fisotro madio, indrindra ho an'ny any Atsimo. Hisy ny fanolorana fitaovana fitahirizana rano fisotro madio sy fanasana tanana. Hanatanteraka fanentanana ihany koa ireo tompon'andraikitra, isorohana ny aretim-pivalanana sy ny aretina hafa azo avy amin'ny tsy fanasana tanana na fisotroana rano tsy voadio.
Mandritra ny hetsika Festival Caméléon, hisy ny Fitoeran-drano lehibe hahafahan'ireo mpandray anjara rehetra misitraka rano fisotro madio.