Fomba tsotra fanaovana « pâte de goyave »
Mbola be mpivarotra eny an-tsena eny ny goavy amin’izao. Maro ny fomba azo hampiasana azy ireny, atao ranom-boankazo, andrahoina atao « confiture », hanaovana « pâte de fruits ». Raha maniry hanamboatra « pâte de goyave » ao an-trano ary dia atoro eto ny fomba tsotra fanamboarana izany.
Ireo akora ilaina raha hanao « pâte de goyave »
-Goavy masaka 1 kg ;
-Siramamy 500g ;
-Ranona voasary makirana ½ sotrokely.
Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy
Sasana tsara ny goavy. Tsara kokoa raha goavy mena no ampiasaina. Silahana roa ary esorina ny lohany sy ny vodiny. Azo esorina ny vaoniny raha tiana halama tsara ilay « pâte » amboarina. Tsy maninona nefa raha tsy esorina izy ireny satria sady fihinana no manome tsiro. Raha tsy alàna ireo vaoniny dia mila tatavanina rehefa avy nandrahoina. Tetehana ireo goavy.
Arotsaka anaty vilany ireo goavy voatetika. Tapohana rano eo amin’ny 100ml eo ho eo. Andrahoina ambony afo antonony ary aroharoana matetika mandrapalemininy. Tokony eo amin’ny 20 hatramin’ny 30 minitra eo ny fitenehana azy.
Esorina teo ambony afo ary avela ho matimaty kely. Raha tsy nesorina ny vaoniny dia tatavanina amin’ny « tamis » mba hahazo fangaro malama. Raha efa nesorina ny vaoniny dia potserina amin’ny sotrorovitra fotsiny ireo goavy na potserina anaty « mixeur » mba ho potsitra sy malama tsara.
Averina anaty vilany ny goavy. Arotsaka ao ny siramamy sy ny ranona voasary makirana. Ataingina ambony afo antonony sady aroharoana matetika amin’ny sotrobe hazo. Mihamarihitra tsikelikely io fangaro io ka mila aroharoana tsara hatrany mba tsy hiraikitra amin’ny vilany. Mety maharitra eo amin’ny 30 minitra hatramin’ny 1 ora izy io vao marihitra tsara. Rehefa miendaka amin’ny sisin’ny vilany ilay « pâte » dia vonona izy izay.
Maka « plat » lehibe iray ary hosorana menaka kely na rakofana « papier sulfurisé ». Araraka eo amboniny eo ilay « pâte » ary atao miparitaka tsara mameno ilay « plat ». Tokony hahazo hatevina 1 na 2 sm. Avela ho mainan’ny rivotra mandritra ny ora maro na ny alina tontolo mba hivaingana tsara. Atao amin’ny toerana tsy hazon’ny bibikely, toy ny vitsika sy ny lalitra. Rehefa vita izay dia tetehana araky ny habe sy endrika hitiavana azy. Azo rarahana siramamy kely mba tsy hifampiraikitra.