• Cours de change
  • 5069.19 AR
  • |
  • $4513.75 AR
Copyright Image : © Délices Du Chef
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanamboarana « croissant au fromage »

20/05/2025 16:45 © Moov.Mg

Isan’ireo sakafo ankafizin’ny ankizy sy ny lehibe ny « croissant au fromage ». Azo lazaina ho somary lafo vidy ihany izy ireny rehefa jifaina eny amin’ireny mpivarotra mofomamy lehibe ireny. Azo atao tsara nefa ny manamboatra « croissant au fromage » matsiro ao an-trano. Araho ny fomba tsotra fanaovana azy.

Ireo akora ilaina raha hanao « croissant au fromage »

-Pâte feuilletée efa vonona ampiasaina 1 ;
-Fromazy voakiky 150g ;
-Atody 1.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Afanaina amin’ny hafanana 180°C ny lafaoro. Rakofana papier sulfurisé ny plaque de cuisson.
Velarina eo ambony latabatra na plan de travail ny pâte feuilletée. Raha miendrika boribory izy io dia silahana ny sisiny hahazoana efa-joro na mahintsy zoro lehibe. Izany dia mba hahamora ny fitetehana azy ho telozoro.
Tetehana atao telozoro ary ny paty. Izany hoe zaraina roa manaraka ny halavany aloha avy eo ireo tetehana hahazo telozoro ireo silany roa. Tokony hahazo telozoro 6 na 8 eo, miankina amin’ny haben’ilay paty.
Rarahana fromazy 1 sotro fihinanana avy eo ambonin’ireo telozoro tsirairay. Eo amin’ilay faritra mivelatra indrindra no hametrahana ny fromazy.
Ahorina amin’izay ireo « croissants ». Atomboka avy any amin’ny velarany lehibe ary mifarana any amin’ny tendron’ilay telozoro.
Kapohana anaty lovia jobo ny atody. Osorana azy io tampon’ny « croissants » tsirairay mba hanome loko azy ireo rehefa masaka.
Rehefa vita izay dia alahatra eo ambonin’ny plaque de cuisson ary andrahoina anaty lafaoro mandritra ny 15 minitra hatramin’ny 18 minitra eo ho eo. Rehefa mibontsina sy mahazo loko somary dorée dia vita. Avela somary matimaty vao hoanina.

Lire la suite

Articles Similaires