Kaokaombira : mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatana sy ny fahasalamana
Legioma iray isan’ny tena mahasalamana nefa tsy voaresaka firy ny kaokaombira (concombre). Fanaovana lasary moa no tena ahafantarantsika azy ireny sy mahazatra antsika. Ankoatra ny tsiro mampangatsitsiaka entiny dia maro ireo vokatsoa azo avy aminy. Andeha ary ho fantarina ny santionany amin’ireo vokatsoa entin’ny kaokaombira ho an’ny vatana sy ny fahasalamana.
Manome rano ho an’ny vatana
Isan’ny antony iray voalohany mahatsara ny kaokaombira ny fitahirizany rano betsaka. Rano tokoa mantsy ny mandrafitra ny 95% ity legioma ity. Noho izany, manome rano na « hydratation » ny vatana ny fihinanana azy ka manampy amin’ny fiasan’ny « cellules » sy amin’ny fandrindrana ny hafanan’ny vatana. Fomba iray manampy amin’ny fiadiana amin’ny tsy fahampiana rano ao amin’ny vatana arak’izany ny fihinanana kaokombira.
Mitondra vitamina sy mineraly maro ilain’ny vatana
Legioma iray mitahiry vitamina sy mineraly maro ilain’ny vatana ny kaokaombira. Anisan’ireo vitamina hita ao amin’izy ireny ohatra ny vitamina K izay ilaina amin’ny « coagulation sanguine » sy amin’ny fahasalaman’ny taolana. Ankoatra izay dia mitahiry vitamina C izay manamafy ny hery fiarovana ihany koa izy ireny. Ny « potassium » ao anatin’ny kaokaombira dia mandray anjara amin’ny fandrindrana ny tosidrà.
Manatsara ny fandevonan-kanina
Ny kaokaombira dia mitahiry fibra malefaka izay mandray anjara amin’ny fanatsarana ny fandevonan-kanina. Ireo fibra ireo dia mandrisika ny « transit intestinal » ka afaka manampy amin’ny fisorohana ny fitohanana. Etsy andaniny dia tsy be kaloria ity legioma ity ka afaka hoanina tsara ho an’ireo tsy te hitombo lanja na te hitazona ny habeny. Ny rano betsaka sy ny fibra ao aminy rahateo moa dia manome fahatsapana voky ka mampihena ny fisakafoanana an-tenantenam-potoana.