Fahavalon’ny fahasalamana sy ny vatana ny hatsiaka : marina sa diso ?
Namantsika ve sa fahavalo ny hatsiaka ? Fanontaniana mipetraka matetika izy io rehefa manomboka toy izao ny ririnina. Tsy ny hatsiaka foana nefa no mahatonga ny aretina mpiseho rehefa ririnina. Mety mitondra vokatsoa tsy ampoizina àry ny hatsiaka. Ny tsy fahampiana fiarovana kosa nefa dia mety hamadika azy ho fahavalo.
Ireo fihevitra isan-karazany manodidina ny hatsiaka
Maro ireo fihevitra sy honohono rentsika mikasika ny hatsiaka sy ny fiantraikany eo amin’ny vatana sy ny fahasalamana. Misy amin’izy ireny no marina fa misy ihany koa nefa ireo fihevi-diso. Anisan’izany ny hoe :
-« Ny hatsiaka no mahavoa ny gripa ». Diso. Ny sery sy ny gripa dia azo avy amin’ny viriosy fa tsy avy amin’ny hatsiaka. Ny hatsiaka kosa nefa dia mety mamparefo ny hery fiarovana ka mahatonga ny taovam-pisefoana ho mora andairan’ny otrikaretina. Mampiparitaka ireto farany ihany koa moa ny rivotra maina sy ny fihibokiboana rehefa ririnina.
-« Tsy misy lanjany ny fanaovana akanjo mafana rehefa tsy manao satroka bônetra ». Marina sady diso. Manary ampahana hafanana maro avy amin’ny vatana ny loha. Ilaina foana nefa ny manarona ny faritra hafa mba hitazomana ny hafanan’ny vatana.
-« Manampy amin’ny fanariana kaloria ny hatsiaka ». Marina. Ny vatana tokoa mantsy dia mampiasa hery kokoa rehefa mangatsiaka ny andro mba hitazomana ny hafanana anaty. Noho io antony io ihany koa no mety mahatonga antsika mazoto homana kokoa rehefa ririnina.
-« Mampanaintaina ny vanintaolana ny hatsiaka ». Marina eo amin’ny olona sasany. Na dia tsy avy amin’ny hatsiaka aza ny aretina « arthrose », dia mety mampitombo ny fahatsapana ny fanaintainana eo amin’ny olona manana io aretin’ny vanintaolana io izany.
-« Tsara ho an’ny fikorian’ny rà ny hatisiaka ». Diso eo amin’ny olona sasany ary marina eo amin’ny hafa. Ny hatsiaka dia mitarika « vasoconstriction » na manatery ny lalandrà. Izany dia manampy amin’ny fahatongavan’ny rà any amin’ireo taova lehibe. Eo amin’ireo olona manana olana amin’ny fikorian’ny rà kosa nefa dia mety hanasarotra ireo soritr’aretina ny hatsiaka.
Ireo vokatsoa tsy ampoizina azo avy amin’ny hatsiaka
Tsy voatery hitarika aretina foana ny hatsiaka. Mety mitondra vokatsoa tsy ampoizina eo amin’ny fahasalamantsika àry izy io indraindray :
-Mety manaitaitra ny saina ny hatsiaka ka manampy amin’ny fanatsarana ny fifantohana sy ny fahamailoana ;
-Ny hatsiaka antonony sy mitombo tsikelikely dia mety mandrisika ny hery fiarovana ka manamafy izany ;
-Tsara kalitao kokoa ny rivotra mangatsiaka noho izy tsy dia misy « allergènes » sy « polluants atmosphériques » ;
-Tsara kokoa ny torimaso rehefa matory ao anaty efitrano mangatsitsiaka.
Torohevitra fiarovana amin’ny hatsiaka
Mba tsy hahatonga ny hatsiaka ho lasa fahavalon’ny vatana sy ny fahasalamana dia ilaina ny fiarovana tsara amin’izany. Anisan’ireo torohevitra manampy ary ny :
-Fanaovana akanjo mafana tsara rehefa ririnina. Rehefa tena mangatsiaka be iny ny andro dia atao maro sosona ny fitafy mba hitazomana ny hafanana anaty. Fonosina tsara ny loha, ny tanana sy ny tongotra, indrindra ny ankizy sy ny zaza.
-Fihinanana sakafo ara-pahasalamana sy fisotroana rano tsara mandritra ny tontolo andro. Na dia tsy mahatsapa mangetaheta àry dia laniana hatrany ny rano 1,5 litatra isan’andro. Afaka misotro dite. Ny sakafo mafana, be vitamina sy mineraly no tena atao betsaka mba hahazoana hery sy hampitomboana ny hery fiarovana.
-Fikarakarana tsara ny hoditra sy ny volo. Ny hatsiaka sy ny rivotra dia mahamaina ny hoditra sy ny volo. Tsara arak’izany ny mampiasa vokatra manamandina sy manamafy azy ireny rehefa vaninandro ririnina mba hiarova azy ireo tsy ho makiana.