• Cours de change
  • 5105.98 AR
  • |
  • $4526.76 AR
Copyright Image : © Lotus Hygiene.Jpg
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : torohevitra ahafahana miaina tsara rehefa tsentsina ny orona

22/05/2025 15:28 © Moov.Mg

Isan’ireo soritr’aretin’ny sery sy ny gripa ny orona tsentsina. Maro ihany koa nefa ireo antony hafa mety mahatonga azy io. Rehefa amin’ny alina izy io no tena mihetsika ka sady mampijaly no tsy mampahita tory. Inona ary no antony mety mahatonga ny orona tsentsina? Ahoana ary ny fomba atao mba ahafahana miaina tsara rehefa tratran’izy io ?

Ireo antony mety mahatonga ny orona tsentsina

Ny olombelona iray dia mitroka rivotra hatramin’ny 15000 litata isan’andro avy amin’ny orona. Mety misy vovoka, « pollen » na koa mikraoba io rivotra io. Mba hiadiana amin’izy ireny dia ataon’ny « globules blancs » mibontsina ny lalandrà anaty orona. Io fibontsinana io nefa dia mety hanentsina ny lalan-drivotra ao amin’ny orona ka mahatonga ny fahatsapana hoe tsentsina ny orona.
Ankoatra izay dia misy ireo antony hafa mahatonga ny orona tsentsina, toy ny sery sy ny gripa. Izany hoe ny lelo miangona ao anaty orona no lasa manentsina ny lalan’ny rivotra ka mahatonga ilay fahasarotana miaina, indrindra amin’ny alina. Eo ihany koa ny « allergies », indrindra ireo mifandray amin’ny tsy fahazakana « acariens », « pollen », volon’ny biby fiompy toy ny saka sy ny alika.

Maharitra hafiriana ny orona tsentsina ?

Miankina amin’ny antony mety mahatonga azy ny faharetan’ny fahatsentsenan’ny orona. Araha avy amin’ny « allergie » izy io dia mety maharitra eo amin’ny 4 herinandro eo na mety ho « chronique ». Raha avy amin’ny sery sy gripa dia eo ho eo amin’ny 5 hatramin’ny 10 andro eo.
Amin’ny ankapobeny, raha vokatry ny viriosy mpiseho rehefa ririnina ny orona tsentsina dia vetivety ihany dia misinda. Raha maharitra mihoatra ny 10 andro io soritr’aretina io dia midika izay fa tsy sery tsotra fotsiny no mahatonga azy. Tsara arak’izany manantona mpitsabo raha mampiahiahy na raha manelingelina be loatra izany.

Ireo fomba manampy afahana miaina tsara rehefa tsentsina ny orona

Araka ny efa voalaza teo ambony dia rehefa matory, indrindra amin’ny alina, no tena tsapa ny fahatsentsenan’ny orona. Mazava ho azy fa sady tsy mampahita tory no tsy mampahazo aina tokoa izany. Mba ahafahana miaina tsara kokoa ary rehefa tsentsina ny orona dia atoro eto ireo torohevitra tsara atao alohan’ny hatory :
-Misotro dite mafana ;
-Diovina amin’ny « sérum physiologique » ny orona ;
-Mievoka rano mafana ;
-Mampiasa « humidificateur » hanamandoana ny rivotra ao amin’ny efitrano fatoriana ;
-Atao somary avoavo ny ondana rehefa matory mba tsy hiangona ao anaty orona ny lelo.

Lire la suite

Articles Similaires