• Cours de change
  • 5105.98 AR
  • |
  • $4526.76 AR
Copyright Image : © Cuisine Az
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana « chao pao au poulet »

22/05/2025 18:48 © Moov.Mg

Sakafo iray isan’ny efa be mpahafantra ary be mpankafy eto amintsika ny « pao ». Maro ireo trano fisakafoanana afaka hanjifaina azy. Ry zareo Sinoa moa no namorona azy ity ary efa nentina teto ihany ny fomba fikarakarany azy. Ny atoro eto indray dia ny fanaovana « chao pao au poulet », izay mampiasa akora hafa sy mora hita eto amintsika. Araho ary !

Ireo akora ilaina raha hanao « chao pao au poulet »

Ireo ilaina amin’ny fanaovana ny paty
-Lafarina 5OOg ;
-Levure boulanger 1 fonosana ;
-Sira 1 sotrokely ;
-Siramamy 1 tsongo ;
-Menaka 2 sotro fihinanana ;
-Ronono matimaty 50sl eo ho eo.
Ireo ilaina amin’ny sesika (farce)
-Nofon’akoho 300g ;
-Sauce soja 2 sotro fihinanana ;
-Tantely ½ ny sotro fihinanana ;
-Sira sy dipoavatra ;
-Tongolo 4 ;
-Kotomila.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Afangaro anaty saladier ireo akora rehetra ampiasaina amin’ny fanamboarana ny paty. Volavolaina miaraka mandritra ny 10 minitra mandrapahazoana paty malama sy malefaka. Avela hilona mandritra ny adiny 1 ora. Rakofana lamba ary apetraka amin’ny toerana mafana mba hibontsina.
Mandritra ny fotoana handomana ny paty dia karakaraina ny sesika. Tetehana madinina ny nofon’akoho. Tetehana madinika ihany koa ny kotomila sy ny tongolo avy eo afangaro amin’ilay akoho. Arotsaka ny sauce soja, ny sira sy dipoavatra ary ny tantely. Aroharoana hifangaro ary avela hilona.
Rehefa vonona ny paty dia volavolaina kely hiala ny rivotra. Avy eo zaraina ho boribory 15. Rarahana lafarina kely ny latabatra ary velarina sy fisahana tsirairay eo ireo paty. Asiana amin’ilay sesika tsirairay eo afovoany. Tsy atao be loatra mba tsy ho rovitra ny paty rehefa mahandro azy.
Akatona tsirairay ny paty ary hidiana tsara tsy hivoaka ny sesika. Apetraka tsirairay eo ambony taratasy fotsy efa notapatapahana ka ilay faritra nanakatonana ireo « pao » no atao ambany. Izany hoe atao mihohoka izy ireo ka ilay faritra boribory malama no hita.
Andrahoina amin’ny entona na hoe « à la vapeur » mandritra ny 15 minitra ao anaty « rice cooker » na ambony « panier de bambou ». Rehefa masaka dia aroso mafana miaraka amin’ny sauce soja na amin’ny « sauce de poisson » nasiana voasary makirana kely.

Lire la suite

Articles Similaires