• Cours de change
  • 5105.98 AR
  • |
  • $4526.76 AR
Copyright Image : © Version Femina
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Crise de panique » : ireo fambara sy ny atao manoloana izany

23/05/2025 16:21 © Moov.Mg

« Palpitations », hatsembohana be, fanina… Ny « crise de panique » dia karazana tebiteby mitranga tampoka ary tsy voatery misy anton-javatra mahatonga azy. Ahoana ary ny fomba fisehon’ny « crise de panique » ahafahana mifehy azy ? Afaka sorohana ve izy io ? Araho eto ireo tsara fantatra mikasika ny « crise de panique ».

Inona no atao hoe « crise de panique » ?

Ara-dalàna ny fahatsapana tebiteby rehefa mandalo adin-tsaina na rarintsaina. Samihafa amin’ny tebiteby tsotra ny « crise de panique » noho ity farany mafy kokoa. Ny olona manao « crise de panique » dia mahatsapa tebiteby mafy miaraka amin’ny soritr’aretina ara-batana sy ara-tsaina mandritra ny minitra maromaro.
Matetika moa ireo « crises » ireo dia mitranga tampoka, tsy misy antony mazava mahatonga azy. Misy fotoana koa nefa, dia mety ho avy amin’ny toe-javatra manokana, toy ny hoe misy loza manambana ka mahatonga ilay olona hitaintaina be na hatahotra mafy.

Ireo fomba fisehon’ny « crise de panique »

Amin’ny ankapobeny dia miseho amin’ny fambara ara-batana sy ara-tsaina ny « crise de panique ». Anisan’izany ny hoe :
-Midobodoboka haingana na sy mafy ny fo (palpitations) na mifanohitra amin’izay, lasa miadana kely ny fidoboky ny fo (tachycardie) ;
-Tsemboka be, mafana be na mifanohitra amin’izay, mangatsiaka be ;
-Mangovitra na volivoly ;
-Fanina ary mahatsapa toy ny malemy tsy mahazaka ny tena ny tongotra ;
-Maloiloy, mikorontana ny kibo ;
-Mahatsapa toy ny sempotra na tsy avy miaina ;
-Tsy mahatsiaro tena, tsy tongatonga saina, matahotra ny ho faty na mahatsiaro toy ny lasa adala.

Ahoana ny atao hampisinda ny « crise de panique » ?

Rehefa manao « crise de panique » dia fadiana ny miezaka manohitra izany. Mila ekena sy avela miseho eo fotsiny izy io. Afaka manampy mandritra izany ny fanaovana « respirations profondes » mba hampitony malaky kokoa. Maharitra eo amin’ny 10 minitra eo ireo « crises » izay vao misinda ireo soritr’aretina.

Lire la suite

Articles Similaires