Tazomoka any Ikongo : Hapetraka ny Dina, mba handrisihana ny mponina hampiasa lay misy odimoka
Manoloana ny fihanahan’ny aretina tazomoka any amin’ny Distrikan’Ikongo, Faritra Fitovinany, dia minisitra miisa 3, iraky ny fitondram-panjakana, no nidina any an-toerana hijery akaiky ny zava-misy. Isan’ny fanapahan-kevitra noraisina ny fametrahana sy fanamafisana ny Dina, mba hiarovana ny mponina.
Ampy ny fanafody fitsaboana tazomoka
Ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Prof. Zely Arivelo Randriamanantany ; ny minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina Razafinjato Aurélie ; ary ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Volamiranty Mara Donna, no tonga nitsidika ny Kaominina Ambatofotsy, Distrikan’Ikongo, androany 27 jona 2025. Tao amin’ity Kaominina ity mantsy no isan’ny nahitana taham-pahafatesana betsaka vokatry ny aretina tazomoka, tao anatin’ny fotoana fohy. Efa nisy ny fandraisana andraikitra teny ifotony, toy ny fanatonana ny vahoaka amin’ny alalan’ny « clinique mobile ». Kaominina miisa 5 nahitana fiakaran’ny tazomoka no nisitraka izany, dia ny ao Maromiandra, Ikongo, Ambolomadinika, Ankarimbelo, ary Ambatofotsy. Nampiana ihany koa ny mpitsabo ao amin’ny CSB II Ambatofotsy, mba hahafahan’izy ireo mifandimby miandry raharaha amin’ny alina, ho fanaraha-maso akaiky ireo marary.
Ny fangatahana alalana tamin’ireo Ampanjaka no nanombohan’ireo minisitra telo ny fitsidihana nataony androany. Taorian’izay dia nisy ny fizarana fanampiana ho an’ireo mponina, izay nahitana sakafo sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Araka ny nambaran’ny minisiritry ny Fahasalamam-bahoaka, dia tokony ho tonga rahampitso ny fitaovana avy aty Antananarivo, izay hanampy ny efa misy ao an-toerana, mba hanampiana tosika amin’ny fitsaboana. Nanamarika moa ny tomponandraikitra fa misy ary ampy tsara ny fanafody fitsaboana tazomoka. Pilina no ampiasaina amin’izany.
Fampiasana lay misy odimoka
Vahaolana isan’ny noraisina, ho fampihenana ny tahan’ny aretina tazomoka any Ikongo, ny fametrahana Dina, mba ho famporisihana ireo mponina hampiasa lay misy odimoka, hisorohana ny kaikitry ny moka. Hamafisina ihany koa ny Dina momba ny fandriampahalemana any an-terana. Araka ny fantatra mantsy dia maro ireo olona no tsy mandry an-tanàna, fa miambina ny vary eny an-tanimbary amin’ny alina. Tratran’ny aretina izy ireo, araka izany, rehefa kaikerin’ny moka eny ankalamanjana eny.
Miaraka amin’izany dia mitohy foana ny fanentanana ny olona tsy an-kanavaka mba hampiasa ny lay misy odimoka. Hanamafy ny fitsirihana ny any anaty tanàna rehetra any ihany koa ireo mpanentana ara-pahasalamana (AC), ka handrisika ireo marary hanatona tobim-pahasalamana raha vantany vao tratran’ny aretina, mba tsy hampihombo izany ka hitarika ny fahafatesana. Amin’izao fotoana izao moa dia mbola misy hatrany ireo mararin’ny tazomoka ao Ikongo no manaraka fitsaboana eny anivon’ny hôpitaly.