Misaona i Madagasikara : Olona 43 no nafoy tao anatin’ny 2 herinandro
Tapa-bolana lasa izay… 2 herinandro katroka androany no nanombohan’ny nofy ratsy teto Madagasikara. Maherin'ny 40 no namoy ny ainy : Ray aman-dreny maro no namoy zanaka, zanaka maro no kamboty tsy fidiny. Tsy vitsy ireo namoy iray tampo, fianakaviana sy namana.
Toxi-infection alimentaire collective (TIAC) no nitranga teto Madagasikara, fa tsy "intoxication alimentaire". Olona maromaro, niaraka tamina toerana iray, nihinana sakafo nitovy, no tratran'ny aretina fa tsy olon-tokana. Araka ny fanadihadihana nataon'ireo tompon'andraikitra ara-pahasalamana, fanapozinana no nitranga teto Antananarivo, izany hoe fanomezana poizina niniana natao. Ny ankoatr'izay dia heverina fa noho ny fihinanana sakafo misy fahasimbana.
Tsingerintaona nahaterahana namoizana aina maherin'ny 20
Ny sabotsy 14 jona lasa teo no nanatanterahana fety iray, nankalazana tsingerintaona nahaterahana. Mpianatra amina Oniversite tsy miankina ilay tompom-pety, ka saika tanora mpiara-mianatra taminy avokoa ireo nasaina. Tany amina trano filanonana iray teny Ambohimalaza, sampanan'i Imerinkasinina no nanaovana ny lanonana. Ny alin'ny fety moa dia efa nisy nanomboka tsy salama ny sasany tamin'ireo mpanotrona. Ny alahady 15 jona, nanomboka nirohatra teny amin'ny HJRA ireo mpamonjy fety, raha nisy namonjy toeram-pitsaboana hafa. Ny herinandron'ny 16 jona no tena marobe ireo namoy ny ainy. Amin'izao faha-28-n'ny volana jona izao, miisa 26 ireo maty, ka ny 23 tamin'ireo no nodimandry tao amin'ny HJRA. Nampiitatra ny loza moa ny fitondran'ireo nasaina ambin-tsakafo nody.
Rehefa natao ny fanadihadihana, voalaza fa "Donut" nisy nanisy poizina no niavian'ny loza. Olona telo, ka ny roa havan'ilay tompom-pety akaiky, no naiditra am-ponja vonjimaika. Mbola tsy misy tohiny hatreto na ny datim-pitsarana ireo notanana am-ponja ireo, na ny fivoaran'ny fanadihadihana.
Fetin'ny ray namoizana olona telo
Tany Mahajanga, olona 3 be izao no nafoy noho ny fahapoizinana ara-tsakafo. Zazavavikely vao 2 taona ny iray tamin'ireo maty ireo. Ny "Charcuterie" izay nohanin'ny mpianakavy ny alahadin'ny fetin'ny ray, ny 15 jona lasa teo, no ahiana ho nahatonga ny loza. Fianakaviana iray ihany no nivoahana razana telo.
Nisy moa ny fidinan'ireo tompon'andraikitra teny anivon'ilay tranombarotra lehibe voatondro fa nividianan'ireo niharam-boina ny "Charcuterie". Notsoahina tsy azo amidy ireo karazan-kena voaodina tao amin'ilay toeram-pivarotana, sady nandefasana singa maromaro atao fitiliana.
Tato anatin'ny roa herinandro, tsy nandeha intsony ny tsenan'ny "charcuteries" tany amin'ny faritra Boeny. Nisy rahateo ny toromarika nomen'ireo tompon'andraikitra ny amin'ny tsy hihinana intsony izany vokatra izany, mandra-pivalin'ny fanadihadihana.
Fiaraha-mifaly noho ny kominio nahafatesana olona 13
Ny alahady 22 jona lasa teo, tany Ambositra, niara-nifaly ny fianakaviana iray noho ny kominio voalohany noraisin'ny zazalahikely iray. Nikarakara sakafo tao an-tranon'ny tompom-pety izy ireo. Nisy havana nitondra "Charcuterie" avy any Toamasina ka nafangaro tamin'ny macaroni izany. Io sakafo io nefa no ahiana nitera-doza, ka olona 24 no nampidirina hopitaly. 13 no maty, ka ny 11 nodimandry tao Ambositra, ary ny 2 tao Antsirabe. Nisy marary maromaro mantsy nalefa notsaboina tany Antsirabe.
Namoy ny ainy i Bonhomme Kely, ilay nahazo fahasoavana, sy ireo ray aman-dreniny. Nodimandry ihany koa ny anabavin-drainy sy ny vadiny. Razana 5 bé izao izany no nivoaka tamina trano iray. Nisy mpirahavavy maty ihany koa tamin'io tranga io.
Tsiahivina fa natokan'Ambositra ho andro fisaonana ny alarobia 25 jona lasa teo. Tsy nisy ny arendrina sy ny afomanga tamin'io andro io.
Tranga hafa tany Toamasina sy Toliara
Ny herinandron'ny 16 jona, nitrangana fahapoizinana ara-tsakafo ihany koa tany Toamasina. Olona enina no nahiditra hopitaly noho ny fihinanana "Godrogodro au Chocolat". Antony iray nahatonga olona maro niahiahy fa mety misy lafarinina simba amidy eny an-tsena. Nihatsara ny fahasalaman'ireo niharam-boina ireo rehefa nahazo fitsaboana.
Tany Toliara indray, nialoha kely ny fetim-pirenena, nanao tatitra ireo tompon'andraikitra tao an-toerana, tamin'ny alalan'ny OMC, fa misy olona marary noho ny fahapoizinana ara-tsakafo. Noraisina an-tanana tao amin'ny CHU Mitsinjo Betanimena ireo tsy salama ireo. Na dia nanao izay ho afany aza ireo mpitsabo, namoy ny ainy ilay raim-pianakaviana. Nisy olona maty iray izany tany Toliara. Voalaza moa fa ny "mortadelle" nohanina fianakaviana kely iray no nahatonga ny loza.