• Cours de change
  • 5159.2 AR
  • |
  • $4417.58 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fiaraha-miasa : Hanamafy ny firaisan-kinany amin’ny tafika Malagasy ny Egiptianina sy Indianina

27/06/2025 16:27 © Moov

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly Galal Ali Abd-ElrazekAli, Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika Egiptiana Lefitra sy ny Minisi-panjakana amin'ny Fiarovam-pirenena ao Inde, Andriamatoa Sanjay Seth, androany. Nentina indrindra hanamafisana indray ny firaisan-kinan’ny roa tonta avy izany.

Egipta : fampiofanana sy fampitaovana

Hisy fandrafetana "memorandum of understanding" (MoU) eo amin’ny Tafika Malagasy sy ny tafika Egiptianina ary hosoniavin'ny Firenena roa tonta tsy ho ela izany. Hatao mba hanamafisana ny fifandraisana izy io. Hiompana indrindra amin’ny sehatry ny fampiofanana miaramila, fifampizarana traikefa ary ny fampitaovana io fifanarahana io.
Marihina fa efa nisy an-taonany maro izany fiaraha-miasa izany ka ity fitsidihana ity dia manamafy ny firaisankina sy fifanakalozana eo amin’ny firenena roa tonta. Ny firenena egyptiana moa dia anisan'ireo Firenena manana indostria ara Tafika matanjaka ary efa mandroso ihany koa eo amin’ny rafitra fiarovana. Ho an'ny Firenena Egiptiana, raha ny nambaran’ity Lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika any an-toerana ity dia ny fanampiana maharitra sy mahomby an’i Madagasikara no fanambin'izy ireo.

Inde : diplaomasia miaramila

Tafiditra ao anatin’ny ezaka fanamafisana ny diplomasia miaramila eo amin’ny firenena roa tonta ity fitsidihana ity. Nivoitra tamin’ny fifampiresahana ny fanamorana ny fifanakalozana traikefa sy fampiofanana ary fanohizana ny fifandraisana stratejika amin’ireo firenena namana toy ny Firenena Indianina. Hisokatra sy hihatsara hatrany araka izany ity fiaraha-miasa ity raha efa nisy hatrany izany teo aloha teo. Efa nisy foana ohatra ny fampiofanana momba ny teny vahiny sy ny hay tao ara-kajy mirindra eto Madagasikara sy ny fiofanana amin'ny sehatra miaramila any Inde ka hitohy izany.
Natao tamin’ny fanajana feno ny fomba fanao ara-miaramila sy amin’ny fanamarihana manokana ny fifandraisana tsara misy ireto fandraisana vahiny ireto.

Lire la suite

Articles Similaires