« Romarin » : manampy amin’ny fanalavana ny volo
Zavamaniry maniry betsaka eto aminintsika ny « romarin ». Azo hanomezana hanitra ny sakafo, atao dite, handroana, hevohana… izy io ary maro ny vokatsoa azo avy aminy. Ho an’ireo te hanalava volo malaky kokoa dia manampy amin’izany ihany koa ny « romarin ». Araho eto ary ireo tsara fantatra mikasik’izany.
« Romarin » hanakobanana ny volo, ireo vokatsoa azo avy amin’izany
Ho an’ireo maniry hanalava volo haingana kokoa dia torohevitra mahomby ny fanakobanana ny volo amin’ny « romarin ». Ankoatra ny fanalavana ny volo dia maro ihany koa ireo vokatsoa azo amin’izany :
-Mampitsahatra ny fihintsanan’ny volo ;
-Manala ny angadrano ;
-Manasitrana ny volo makiana sy vakivaky ;
-Manatara ny fipoitran’ny volo fotsy.
Ny fomba fikarakarana sy fampiasana azy
Atao anaty vilany ny rano 1l sy ny romarin 50g. Ampangotrahana mandritra ny 15mn avy eo bataina. Tsihifina hiala ny romarin ary avela hangatsiaka. Arotsaka ao ny vinaigre de cidre 3 sotrokely ary aroharoana hifangaro. Tsy voatery asiana vinaidre de cidre raha tsy manana.
Mikasika ny fampiasana azy. Sasana toy ny mahazatra ny volo. Izany hoe mampiasa ny shampoing, après shampoing sy ny masque fampiasa isaky ny manasa loha. Rehefa madio tsara ny volo dia kobanina amin’ilay fangaro namboarina teo. Atao isaky ny manasa loha ity torohevitra ity mba hahazoana vokatra amin’ny fanalavana ny volo.
Fanamarihana
Toy ny rehefa manomboka mampiasa vokatra vaovao rehetra amin’ny fikarakarana ny volo sy ny hoditra dia tsara raha andramana amin’ny faritra kely amin’ny volo ity fangaro ity vao tena mampiasa azy. Izany dia mba hahitana sao sendra tsy mahazaka izany ny hoditra.