Fomba tsotra fanamboarana « baume coiffante » ao an-trano
Vokatra iray tena ilaina amin’ny fikarakarana ny volo ny « baume coiffante ». Efa maro moa ireo vokatra vonona ampiasaina avy any ivelany hita eny amin’ny mpivarotra eny. Misy ihany koa ireo mivarotra « baume coiffante » vita amin’ny akora natoraly toy ireo hita eny amin’ny Facebook eny. Ho an’ireo maniry ny hanamboatra « baume coiffante » vita ao an-trano dia atoro eto ny fomba tsotra fanaovana izany.
Ireo akora ilaina raha hanao « baume coiffante » natoraly
-« Beurre végétale » toy ny « beurre de cacao », « beurre de karité » na koa « cire d’abeille » ;
-Menaka zavamaniry izay tiana, toy menaka voanio, kinanana, oliva, zavoka… azo mampiasa karazany maromaro ;
-Vitamina E.
Ireo dingana amin’ny fanaovana azy
Atsonika amin’ny alalan’ny « bain-marie » ny « beurre végétale » na ny « cire d’abeille ». Rehefa mitsonika dia arotsaka ao ny menaka zavamaniry amin’ny fatra avo roa henin’ilay « beurre » na « cire ». Alefa ao manarak’izay ny vitamina E iray « capsule ». Aroharoana hifangaro tsara ireo akora rehetra. Rehefa vita izay dia afindra anatin’ny fitoerana mety misarona tsara hitahirizana azy.
Ny fomba fampiasana azy
Azo ampiasaina hanaovana « bain d’huile » rehefa alohan’ny hanasa loha ity « baume coiffante » ity, nefa koa afaka hanamandinana ny volo madio amin’ny andavanandro. Mazava ho azy fa tsy atao be fanosotra loatra rehefa mampiasa azy amin’ny andavanandro fa lasa manavesatra sy manempotra ny singam-bolo indray izany.
Fanamarihana : tsara raha safidiana miankina amin’ny karazam-bolon’ny tena ireo menaka zavamaniry ampiasaina. Manao fikarohana kely hahafantarana ny karazana menaka zavamaniry tsara ampiasaina.