• Cours de change
  • 5135.46 AR
  • |
  • $4434.14 AR
Copyright Image : © Santé Sur Le Net
Image
Reny&Zaza

Aretina sarotra mety mahavoa ny bevohoka : fantaro ny « pré éclampsie »

12/08/2025 15:43 © Moov.Mg

Ny « pré éclampsie » dia aretina sarotra mety mahazo ny bevohoka ka mety hitarika amin’ny fahafatesan’ny zaza ao am-bohoka sy ny reny raha toa ka tsy voaray an-tanana ara-potoana sy ara-dalàna. Fa inona tokoa ary ny atao hoe « pré éclampsie » ? Inona no mety mahatonga azy ? Ahoana ny fisehony ? Inona no atao manoloana izany ?

Inona no atao hoe « pré éclampsie » ?

Ny « pré éclampsie » dia fahasoratan’ny fitondrana vohoka izay miseho amin’ny alalan’ny tosidrà avo sy fahasimban’ny taova sasany, toy ny voa sy ny aty. Toe-pahasalamana sarotra izay mety misy fiantraikany ratsy eo amin’ny reny sy ny zaza ao an-kibo izy io raha tsy hita aloha sy voatsabo malaky. Amin’ny ankapobeny dia aorian’ny 20 herinandro ny fitondrana vohoka hatramin’ny 6 herinandro aorian’ny fiterahana no mitranga izy io.
Mbola tsy voafaritra mazava hatreto ny antony mahatonga ny « pré éclampsie ». Araky ny fiheveran’ireo mpikaroka dia misy hifandraisany amin’ny olana eo amin’ny fivoaran’ny ahitra, izay taova manome sakafo ny zaza mandritra ny fitondrana vohoka izy io. Eo amin’ny vohoka ara-dalàna dia misy lalandrà vaovao miforona mba hazoan’ny ahitra mahazo ny rà ilainy. Raha manao « pré éclampsie » ny bevohoka dia tsy miforona tsara ireo lalandrà ireo ka lasa tery sy mampihena ny rà mankany amin’ny ahitra. Io tsy fahampian’ny rà io dia mety misy fiantraikany eo amin’ny tosidràn’ny reny sy eo amin’ny taovany hafa.

Ireo anton-javatra mety mahatonga ny « pré éclampsie »

Na dia mety afaka mahavoa ny bevohoka rehetra aza ny « pré éclampsie » dia misy ihany ireo anton-javatra mety mampitombo ny « risque » hampisy azy, toy ny :
-Fitondrana vohoka voalohany ;
-Efa nanao « pré éclampsie » tamin’ny vohoka taloha ;
-Bevohoka kambana (na roa na telo na mihoatra) ;
-Hatavezana diso tafahoatra ;
-Bevohoka 40 taona no mihoatra ;
-Fisian’ny areti-mitaiza, toy ny tosidrà avo, diabeta, aretin’ny voa, « maladies auto-immunes » sasany…

Ireo soritr’aretina na fambara mila arahi-maso

Tsy voatery ho hita ireo fambaran’ny « pré éclampsie » amin’ny voalohany. Indraindray mety afangaro amin’ny fambara tsotran’ny fitondrana vohoka. Mila manantona mpitsabo avy hatrany kosa raha toa ka mahatsikaritra ireto soritr’aretina manaraka ireto :
-Marary andoha tsy mety misinda na efa mihinana fanafody aza ;
-Manjavozavo ny fahitana, misy tasy eo alohan’ny maso na koa tsy mahazaka hazavana ;
-Marary eo ambonin’ny kibo na eo amin’ny ila-kibo havanana ;
-Misy mivontovonto eo amin’ny tanana, tarehy na ny tongotra, indrindra raha mivonto tampoka ;
-Mitombo lanja be tampoka.

Fitsaboana

Amin’ny alalan’ny fitsapana ny tosidrà sy ny fanaovana fitiliana ny pipy no hafahana manamarina ny « pré éclampisie ». Ny fitsaboana ity farany dia ny fiterahana. Eo amin’ireo tranga « bénins » dia mety arahin’ny mpitsabo akaiky ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ao an-kibo ary mila maka aina eo am-pandriana ny bevohoka.
Eo amin’ny tranga sarotra kosa dia mila miditra hopitaly ny bevohoka hanaraha maso akaiky azy sy ny zaza ao am-bohoka. Mety misy fanafody ampidirina hamehezana ny tosidrà sy hisorohana ny fanintona. Raha mihasarotra ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza dia mety mila ampiterahana aloha ny bevohoka, eny na mbola tsy tonga volana aza ny zaza. Amin’ny ankapobeny dia misinda tsikelikely ireo soritr’aretine rehefa aorian’ny fiterahana.

Lire la suite

Articles Similaires