Fahasalamana : Ahoana no atao tsy hamindrana ny gripa amin’ny zazakely ?
Aretina tena mora mifindra tokoa ny gripa. Mora tratran’ity aretina ity tokoa ny zazakely, indrindra rehefa ririnina toy izao. Ahoana ary ny fomba atao hiarovana ny zazakely amin’ny gripa ? Araho eto ireo andinindininy mikasik’izany.
Ahoana ny fomba hahazoan’ny zaza ny gripa ?
Maro ny fomba mety hahazoan’ny zazakely ny gripa ka anisan’izany ny piti-drora rehefa mikohoka na mievona ny olona iray izay mitondra otrikaretin’ny gripa. Na dia lavitra aza ilay zaza dia entin’ny rivotra ireo piti-drora ireo ka mety hamindra ilay aretina aminy raha tafiditra ao anaty orony na ny vavany. Mety mifindra amin’ny fametrahan’ny zaza ny vavany eo amin’ny zavatra voakasik’ireo piti-drora, toy ny kilalao, « tétines », tanan’ny olon-dehibe…, ihany koa ny gripa.
Ahoana no ahafantarana fa voan’ny gripa ny zaza ?
Mety hitera-doza eo amin’ny zazakely ny gripa ary mety mitarika fahasarotana eo amin’ny fisefoany. Ny viriosin’ny gripa tokoa mantsy dia mety mahatonga « bronchiolite » eo amin’ny zaza. Mila mailo hatrany noho izany mahakasika ny fiombon’ity aretina ity. Amin’ny ankapobeny dia miseho amin’ireto fambara manaraka ireto ny gripa eo amin’ny zazakely :
-Reraka ;
-Malain-komana ;
-Mangovitra sy mangatsiaka ;
-Mikoha-maina sy marary tenda ;
-Jenjina ny orona na be lelo ;
-Manavy tampoka ;
-Mandoa sy mivalana.
Ny fomba manampy hiarovana ny zaza tsy ho tratrin’ny gripa
Ny fomba voalohany atao dia ny fanalavirana ny zaza amin’ireo ankizy sy lehibe tratry ny gripa. Raha ny ray aman-dreny mikarakara moa no marary dia mila manao aro-vava sy « gants » tanana rehefa mila mitaiza ny zaza. Ankoatra izay dia misy ireo fihetsika sy torohevitra manampy mba hiarovana ny zaza tsy hifindran’ny gripa :
-Sasana matetika ny tanan’ny zazakely. Indrindra rehefa aloha sy aorian’ny misakafo. Mila manasa tanana matetika ihany koa ireo mitaiza sy mikarakara azy rehetra ;
-Raha misy tratry ny gripa ny ao an-trano dia ezahana halavirina azy ny zazakely. Diovina tsara ireo fitaovana fampiasa amin’ny andavanandro mety kitihan’ny rehetra, toy ny « télécommandes », « poignets » ny varavarana… ;
-Rehefa misakafo dia tokony samy manana ny fitaovany ny tsirairay, indrindra raha misy voan’ny gripa. Tsy mahazo fahanana sakafo na rano amin’ny fitaovan’ny hafa ny zazakely fa mila manana ny azy manokana.