Fanalan-jaza : ireo mety ho « risques » ara-pahasalamana aterak’izany
Ny fanalan-jaza dia « procédure médicale » miompana amin’ny fampitsaharana ny vohoka. Maro ny firenena mankasitraka azy io ka ary azo lazaina ho be mpanao izany. Raha ny eto amintsika moa dia voararan’ny lalàna ny fanaovana izany. Toy ny « intervention » rehetra dia mety misy « risques » ny fanalan-jaza. Andeha ary ho fantarina ny mety « risques » ara-pahasalamana aterak’izany.
Ireo « risques » ara-batana mety ateraky ny fanalan-jaza
Miankina amin’ny fomba nanatanterahana ny fanalan-jaza sy ny « stade » an’ilay vohoka ny « risques » ara-batana mety aterak’izany :
Fanalan-jaza amin’ny alalan’ny fanafody
Amin’ny ankapobeny dia eo amin’ny faha 7 herinandro hatramin’ny faha 9 herinandro ny fitondrana vohoka no tanterahana ny fanalan-jaza amin’ny alalan’ny fanafody, miankina amin’ny firenena misy ilay olona. Anisan’ireo « risques » mety aterak’izany ny hoe :
-Tsy nandaitra ilay « procédure » ka tsy nitsahatra araka ny tokony ho izy ilay vohoka. Raha izany no mitranga dia mila miditra amin’ny fanalan-jaza « chirurgicale » ilay bevohoka ;
-Mandeha rà be (hémorragies). Mampandeha rà betsaka sy ela matetika ny fanalan-jaza amin’ny alalan’ny fanafody. Indraindray nefa mety mivadika ho « hémorragie » izany ka lasa mila ampidirana rà na atao « curetage » (sokirina) ilay vehivavy hampitsaharana ilay vohoka ;
-Otrikaretina. Mety mitarika aretina ao amin’ny tranon-jaza raha toa ka misy tsy afaka ny « tissu » ny ahitra ;
-Manaintaina. Ny fikainkon’ny tranon-jaza atareky ny fanafody dia mety tena manaintaina be ka ilaina fampiasana « antalgiques » na fanafody manala fanaintainana mahery vaika.
Fanalan-jaza « chirurgicale »
Matetika dia eo anelanelan’ny faha 7 hatramin’ny faha 14 herinandro aorian’ny tsy fahatongavan’ny fadim-bolana eo amin’ny bevohoka no hanatanterahana ity fomba fanalan-jaza ity. Miompana amin’ny « aspiration » na fitrohana ny ao anatin’ny tranon-jaza izy io. Anisan’ireo « risques » mety mitranga ny hoe :
-Goaka ny tranon-jaza. Isan’ny fahasarotana lalina vokatry ny fandavahan’ilay fitaovana fanalan-jaza ny tranon-jaza izy io. Mila fandidiana fanampiny izany hitsaboana sy hanavotana ilay bevohoka ;
-Otrikaretina. Mety mitarika otrikaretina ao amin’ny tranon-jaza ihany koa ny fanalan-jaza « chirurgicale » ;
-Mandeha rà be ;
-« Syndrome d’Asherman ». Fahasarotana tsy fahita firy izy io. Miseho amin’ny fisian’ny firaiketana na olatra ao anatin’ny tranon-jaza izany ka mety tsy mampiteraka na mampikorontana ny fadim-bolana any aoriana ;
-Sarotra mitoe-jaza rehefa any aoriana. Isan’ireo « risques » mety mitranga izany, indrindra raha toa ka tsy azo antoka ny toerana sy ny fitaovana nampiasana tamin’ny fanalan-jaza.
Ireo « risques » ara-tsaina
Mety misy « risques » ara-tsaina eo amin’ny vehivavy ihany koa ny fanalan-jaza. Miankina amin’ny anton-javatra maro moa ny mampisy izany, toy ny antony nanalana zaza, ny fanohanan’ny manodidina… Anisan’ireo « risques » ara-tsaina mitranga ny hoe :
-Manenina sy manamelo-tena ;
-« Troubles de l’humeur », mahatsiaro tena malahelo, mitebiteby na koa tratry ny fahaketrahana taorian’ny nanalana zaza.