Festikite 2025 : Vory lanona ao Antsiranana ny mpankafy fanatanjahantena ambony rano
Tafiditra tanteraka anatin’ny vanim-potoan’ny fialan-tsasatra ny olon-drehetra eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Samy manana ny safidiny amin’ny toerana tiany haleha ny rehetra ; saingy safidin’ireo mpankafy fanatanjahantena ambony rano manokana i Antsiranana amin’ity faran’ny herinandro ity.
Hanomboka rahampitso 15 hatramin’ny 17 aogositra izao mantsy ny Festikite, karakarain’ny Mada Kite Bros, ho tanterahina eny amin’ny Baie du Sakalava.
Carnaval namakivaky ny tanàna
Nialoha ny tena fanombohan’ny hetsika amin’ny fomba ofisilay dia nentina nanomezana sombintsombiny amin’ny lanonana ny fanatanterahana ny « Caranaval » nanodidina ny tanànan’Antsiranana, androany 14 aogositra. Tanora maro no nandray anjara tamin’izany, samy nampiseho ny fahaizany mihetsika sy manolotra karazana sehon-tarehy sy fiakanjo samihafa. Isan’ny nampiavaka azy, amin’ny « carnaval » rehetra ny fampisehoana mikasika ny lakana sy ny fitaovana entina manao « kitesurf » izay, mampiavaka ity festival ity. Nentina sahady, izany, nanomezana fahalalana ireo mpijery, mikasika ny zavatra rehetra mety ho hita eny amin’ny Baie du Sakalava.
Fifaninanana « surf »
Malaza amin’ny atao hoe « Varatraza » i Antsiranana. Izy io dia rivotra somary maherihery, ary indrindra rehefa eny amin’ny ranomasina izy dia miampy ny heriny. Izany indrindra no antony nikarakaran’ny Mada Kite Bros, ity hetsika ity eny amin’ny Baie, akaiky ranomasina mba hahazoan’ireo mpifanandrina mankafy azy. Azo lazaina ho tafiditra ao anatin’ny « sport extrême » rahateo izy ity ka mahafinaritra hatrany ny manana fahatsapana mafimafy. Ho hita mandritra ireo telo andro ireo ny « kitesurf », « wingfoil » sy « windsurf » ary ny fampisehoana hataon’ireo efa matihanina amin’ireo sehatra ireo. Hisy ny loka ho zaraina ao anatin’izany.
« Course lakana »
Isan’ny zava-baovao tamin’ity taona ity ny « course lakana ». Raha ny fanazavana dia ireo lakana madinika, nentim-paharazana, miaraka amin’ireo voaliny dia hanampy, hampisy loko ny ranomasina amin’ity taona ity. Araka izany, ankoatra ny rivotra izay hitondra ireo « riders » dia hahazo ny anjarany ihany koa ireo mpamoy lakana kely. Hisy hatrany ny loka ao anatin’izany. Marihina fa ny hetsika rehetra dia tohanan’ny orinasa Yas Madagasikara, avokoa.
Ankoatra ireo rehetra ireo anefa dia hisy ireo fanentanana sy lalao samihafa eny an-toerana. Ohatra amin’izany ny fifaninanana « Miss et Mister », ny morengy sy ireo fampisehoana hiarahana amina mpanakanto.