Teleferika zotra Volomboasary : hampihena hatramin’ny 1.200 ny isan’ny fiara mifamoivoy eto Antananarivo
Nosokafana tamin’ny fomba ôfisialy androany 15 aogositra 2025 ny fitaterana an-tariby na teleferika, zotra Volomboasary, mampitohy an’Anosy amin’Ambatobe. Vinavinaina hampihena be ny tohamboivoy (embouteillage) eto Antananarivo Renivohitra ny fisian’ity karazam-pitaterana vaovao ity.
Manamaivana ny fifamoivoizana
Araka ny nambaran’ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika (SENVH), Andriamanohisoa Gérard, dia gara miisa 7 ary « pylones » 50 isa no fotodrafitrasa najoro, ahafahana mampandeha ity zotram-pitaterana an-tariby ity. Mpiasa maherin’ny 450 no niara-nisalahy, nandritra ny 25 volana, ka nahatontosana azy ity. Raha ny voalazan’ny orinasa Poma, izay nanorina ny fotodrafitrasa, ary notaterin’ny SENVH, dia tetikasa isan’ny vita haingana, tao anatin’ny fotoana fohy, ny teleferika zotra Volomboasary. Araka ny fanazavan’ny SENVH anefa, dia nandalo sedra ny fanamboarana ity fitaterana an-tariby ity, raha tsy hilaza fotsiny afa-tsy ny fandresen-dahatra ny avy eo anivon’ny fiangonana katôlika, ka nifampiresahana tamin’ireo eveka in-droa miantoana, teny Andohalo.
Araka izany, fanamby iray ho fanamaivanana ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra no tanteraka, hoy i Andriamanohisoa Gérard. Nanamafy izany ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, nandritra ny fandraisam-pitenenany. Araka ny vinavinan’ny Poma, hoy izy, dia hampihena hatramin’ny 1.200 isan’andro ny isan’ny fiara mifamoivoy ny fisian’ity zotra Volomboasary ity. Olona 40.000 hatramin’ny 60.000 isan’andro no heverina fa ho afaka hampiasa ny teleferika.
Voka-tsoa ara-tontolo iainana
Heverina hitondra vokatra tsara eo amin’ny lafiny tontolo iainana ny fisian’ny fitaterana an-tariby, hoy hatrany ny filoha Andry Rajoelina. Hampihena ny fofona avy amin’ny solika iainana eto Antananarivo izy ity, hoy izy. Raha ny tetikasa dia angovo azo havaozina no natao handefasana ireo fitaterana an-tariby eto amintsika. Amin’izao aloha dia mbola « groupe » no mampihodina azy, fa afaka 3 volana kosa, araka ny fanazavana, dia vatoharatra, izay hofahanana amin’ny alina, no hampandeha azy. Any amin’ny volana janoary amin’ny taona 2026 ho avy io no vinavinainny Fitondram-panjakana fa ho vita tanteraka ny « parc solaire », izay hiantoka ny fampandehanana manontolo ireo teleferika, amin’ny alalan’ny angovo entin’ny herin’ny masoandro.
Hisokatra ho an’ny daholobe
Taorian’ny fanokafana tamin’ny fomba ôfisialy izay notanterahin’ireo mpitondra Fanjakana notarihin’ny filoha Andry Rajoelina, androany, dia hisokatra ho an’ny daholobe ny zotram-pitaterana an-tariby Volomboasary, manomboka rahampitso 16 aogositra 2025. Amin’ny ampahany ihany aloha izany, mba hanazarana ny vahoaka, ka amin’ny fito ora hatramin’ny sivy ora maraina ary amin’ny 4 hatramin’ny 6 ora hariva, no hahafahana mandeha amin’izy ireo. 3.000 Ar no saran’ny fitaingenana, amin’izao fiandohany izao, fa hiakatra ho 5.000 Ar izany rehefa tafatsangana ny « parc solaire », hoy ny filoham-pirenena. Nomarihiny anefa fa tsy izany no tena tokony ho sarany, fa 10.000 Ar, araka ny kajy nataon’ny SENVH
Ankoatra ny fampihenana ny tohamboivoy, izay isan’ny tanjona nananganana ny fitaterana an-tariby eto amintsika, dia hanome endrika ny tanànan’Antananarivo ihany koa izy ireo, hoy Ramanantsoa Harilala, Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra.