Sahanivanina, Distrikan’i Mahanoro : kilan’ny afo ny 95%-n’ny tanàna
Nitrangana loza mahatsiravina tany amin’ny Distrikan’i Mahanoro, tamin’ny alahady 31 aogositra hifoha alatsinainy 1 septambra 2025 lasa teo. May kilan’ny afo ny tanàna, ka saika tsy nisy niangana ny fananan’ny ankamaroann’ny mponina, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana.
Tokantrano an-jatony traboina
Raha ny tombana natao voalohany dia mahatratra hatrany amin’ny 95%-n’ny tanànan’i Sahanivanina Kaominina Tsaravinany Distrikan'i Mahanoro, no may kilan’ny afo, hoy ny fampitam-baovao. Tsy nisy ny ain’olombelona nafoy, fa maro tamin’ireo biby fiompy kosa no main’ny afo. Raha atotaly dia tokantrano miisa 222, izay ahitana olona manodidina ny 600 isa, no traboina. Etsy an-daniny, potika avokoa ny antontan-taratasim-pajakana rehetra izay notahirizina tao amin’ny sefo Fokontany lefitra.
Antso fanampiana
Efa nidina tany an-toerana nijery ny toe-java-misy ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny, toy ny ben’ny tanànan’ny Kaominina Tsaravinany, sady nijery izay vahaolana azo aroso ho fanampiana ireo traboina. Manao antso avo amin’ireo tomponandraikitra voakasika sy ireo mpiara-miombona antoka moa ireto farany, mba hanolo-tanana azy ireo, hiatrehana izao voina izao.
Hatreto, araka ny fantatra, dia ao amin’ny trano fanaovam-pety iray any an-oerana no mitoby ireo mponina traboina vokatry ny hain-trano ireo. Misy koa ireo monina any anaty ala, mandrapahitana vahaolana maharitra.