• Cours de change
  • 5179.97 AR
  • |
  • $4462.49 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Vitrine du Vakinankaratra : Hanomezana vahana ny tanora ho mpanorina orinasa

02/09/2025 15:19 © Moov

Ho tanterahina eo amin’ny lalana manolona ny « Gare », Antsirabe, ny hetsika Vitrine du Vakinankaratra, andiany faha-27, ny 11 hatramin’ny 13 septambra izao. Nampahafantarina tamin’ny alalan’ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety, tetsy amin’ny Yas Andraharo, androany ny momba izany.

Fanokafana lalana ho an’ny tanora

Toy ireo andiany 26 teo aloha rehetra dia fotoana hifanakaikezan’ny mpisehatra ara-ekonomika ao anatin’ny faritra Vakinankaratra ity hetsika ity. Samy hijery izay mety hahasoa azy ny rehetra ary hifampizara traikefa sy fahaizana ihany koa ny tsirairay. Isan’ny hampiavaka ny amin’ity taona 2025 ity kosa ny fanomezana lalana ho an’ny tanora, hahafahany mivelatra ara-toe-karena. Manan-karena tanora rahateo ny faritra Vakinankaratra, ary maro amin’izy ireo no mitady asa ka entina hanampiana azy ireo ny fisian’ny hetsika. « Hampahafanatrina mandritra ny hetsika, fa ny tanora afaka manorina, miainga amin’ny kely no ilaina fa tsy ireo tanora hofanina hiasa amin’ny orinasa. Manana soa fanararaotra betsaka ireo tanora ireo mandritra ny Vitrine du Vakinankaratra », hoy i Ramarijaona Andrianjafy, Filohan’ny Fivondronan’ny Orinasan’ny Vakinankaratra (FIOVA). Tanjona indrindra ao anatin’izany dia ny hampitombo ny isan’ny orinasa ao anatin’ny faritra, hahafahana mampiakatra ny harin-karena faobe.

Fampirantiana samihafa

Ankoatra ny fanampiana ny tanora dia hahazo ny anjarany avokoa ireo mpandraharaha sy orinasa maro ao Vakinankaratra. Hisy trano eva maherin’ny 250 ao an-toerana mandritra ireo telo andro ireo. Handray anjara amin’izany avokoa ny orinasa, ny mpanao asa tanana, ny mpamboly sy mpiompy ary ireo mpandraharaha isan-karazany.
Araka izany, ankoatra ny fanjifana ho ataon’ireo mpitsidika dia hanamafy ny fivoaran’ny mpampiranty tsirairay ny fifanatonana samy mpandraharaha sy famelabelarana ny traikefa samy hananany. Marihina fa hisy orinasa efa lehibe sy matanjaka handray anjara ao. Isan’izany ny Yas Madagasikara, miaraka amin’ny MBalika, izay sady mpanohana ofisialy ny hetsika. Nanamafy hatrany ny filohan’ny FIOVA fa « tokony samy hahita hevitra hanatsarana ny sehatra misy azy, avokoa ny mpandray anjara tsirairay ».

Lire la suite

Articles Similaires