Fahasalamana : ireo vokatsoa azo avy amin’ny fihinanana voam-boatavo
Mbola maro amintsika no zatra manary ny voam-boatavo rehefa mahandro voatavo. Azo hoanina tsara nefa izy ireny ary mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatana sy ny fahasalamana tokoa izany. ‘Ndeha ary ho fantarina eto ireo vokatsoa azo avy amin’ny fihinanana voam-boatavo.
Voam-boatavo : mitondra otrikaina maro ilain’ny vatana
Ny voam-boatavo dia manankarena « magnésium », « zinc », « fer » ary « cuivre ». Mitahiry « antioxydants » toy ny « manganèse » izay manatsara ny fahasalaman’ny taolana, miady amin’ny rarintsaina sy manome hery ihany koa izy ireny. Ankoatra izay dia mitondra « acides gras essentiels » sy proteina izay tsara ho an’ny fo sy ny « équilibre » ihany koa ny voam-boatavo. Mbola maro ireo vokatsoa azo avy amin’ny fihinanana voam-boatavo ka anisan’izany ireo zaraina manaraka ireto.
Manampy amin’ny fikoloana ny fahasalaman’ny « prostate » sy ny « sytème urinaire »
Isan’ny vokatsoa azo avy amin’ny fihinanana voam-boatavo ny fikoloana ny fahasalaman’ny « système urinaire » sy ny « prostate ». Manana fiasa « diurétique » tokoa mantsy izy io ka mampitombo ny habetsaka sy ny hatetiky ny fivalanan-drano. Noho izany dia manampy amin’ny fiadiana amin’ireo « infections de l’appareil urinaire », indrindra eo amin’ny lehilahy. Mandray anjara amin’ny fampitoniana ireo soritr’aretin’ny « infections urinaires » sy ny « hypertrophie bénigne de la prostate » ihany koa izy ireny. Marihana kosa nefa fa tsy mahasolo ny fanafody fitsaboana ny « cystite » na ny « prostate » ny voam-boatavo fa manohana fotsiny ihany ny fitsaboana.
Manatsara ny fandevonan-kanina
Noho izy ireo manankarena « fibres mucilagineuses » dia mandrisika ny « satiété » (fahatsapana voky) sy manatsara ny fandevonan-kanina ny voam-boatavo. Mihatsara ny « transit intestinal » nohon’ny fiasany « laxatif » ara-boajanahary. Satria moa mitahiry « zinc » sy « sélénium » ny voam-boatavo dia afaka manampy amin’ny fandiovana ny aty ihany koa izy ireo.
Mampitony ireo soritr’aretin’ny « ménopause »
Afaka manampy amin’ny fampitoniana ny soritr’aretina sasan’ny « ménopause » ihany koa ny fihinanana voam-boatavo. Anisan’izany ny « bouffées de chaleur » sy ny fikorontanan’ny torimaso. Ny vitamina sy ny mineraly hita ao anatin’izy ireny dia manampy amin’ny fandrindrana ny hormonina sy ny fampihenana ny toe-javatra manelingelina mandritra io fotoana fiovan’ny toe-batan’ny vehivavy io.
Ny fomba fihinanana ny voam-boatavo
Mba hisitrahana ireo vokatsoa entin’ny voam-boatavo dia tsara raha mihinana azy ireny 1 sotro fihinanana isan’andro, izany hoe tokony eo ho eo amin’ny 10 g eo. Hoanina manta izy io, afaka totoana kely na tsakoana miadana. Tsy azo hoanina be loatra ny voam-boatavo noho izy be fibra ka mety hampangotika kibo.