Torohevitra hanesorana ny mony eo amin’ny lamosina
Manelingelina ary mety mahamenatra ny fisian’ny mony eo amin’ny lamosina. Matetika izy ireny dia mangidihidy, manorisory sy manaratsy endrika ny hoditra. Fa inona ary no mahatonga ny mony eo amin’ny lamosina ? Inona no azo atao hanesorana izany ? Araho eto ary ny anidinindininy mikasik’izany.
Ireo antony mety mampisy mony eo amin’ny lamosina
Faritra matetika adinodino eo amin’ny andavanandro ny lamosina sy ny soroka. Izy ireo nefa dia isan’ny mora hipoitran’ny zavatra manelingelina, toy ny mony, tasitasy, teboteboka menamena, marokoroko… Ireo « imperfections » eo amin’ny hoditry ny lamosina ireo mahazana dia avy amin’ny « excès de sébum » izay vao maika mihombo vokatry ny fanaovana akanjo « synthétiques », hatsembohana be loatra, savony tsy voakobana tsara… Misy ihany koa ireo fahazaran-dratsy mety vao maika mampihombo ny mony amin’ny lamosina, toy ny tsy fandroana rehefa avy manao fanatanjahantena, fanosorana « crème » matavy loatra ka manentsina ny mason-koditra…
Fikafika natoraly hanalana ny mony eo amin’ny lamosina
Azo atao ny manala ireo mony eo amin’ny lamosina amin’ny alalan’ny fampiasana vokatra natoraly hikoloana ny hoditra amin’ny andavanandro. Tsotra ny zavatra ilaina :
-« Argile verte » vovony 2 sotro fihinanana ;
-« Vinaigre de cidre » 1 sotro fihinanana ;
-« Eau filtrée » 3 sotro fihinanana ;
-« Huile essentielle de tea tree » in-2 mitete ;
-Tain-kafe na siramamy 1 sotrokely (indray mandeha isan-kerinandro).
Mikasika ny fanamboarana azy : afangaro ny « argile verte » sy ny « eau filtrée » hahazoana paty malefaka. Arotsaka ao ny « vinaigre de cidre », avy eo ny « huile essentielle ». Afangaro tsara.
Ho an’ny fampiasana azy : ahosotra atao manify eo amin’ny lamosina sy ny soroka, mbola mando avy nandro iny, ity vokatra natoraly ity. Avela hilona 10 minitra, tsy endrasana maina tanteraka. Azo petapetahana « compresse » mando raha ilaina. Rehefa vita dia kobanina amin’ny rano matimaty sady horina kely manao boribory. Indray mandeha isan-kerinandro dia asiana tain-kafe na siramamy io vokatra io mba hikosehana moramora ny lamosina sy ny soroka hanesorana ireo sela maty sy loto tavela eo amin’ny hoditra.
Torohevitra fanampiny hikoloana ny hoditry ny lamosina
Mba hiadiana amin’ny mony eo amin’ny lamosina dia misy ihany koa ireo torohevitra tsara ampiharina amin’ny andavanandro, toy ny hoe :
-Akanjo vita amin’ny « coton » no anaovana ;
-Soloina matetika ny servieta sy ny fonon’ondana ;
-Mandro hatrany rehefa avy manao fanatanjahantena na rehefa nampiasa vatana be loatra ka tsemboka ;
-Misotro rano tsara anatin’ny tontolo andro ;
-Mihinana sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana ;
-Matory tsara amin’ny alina, tsy tokony ho latsaky ny adiny 8 ora.