• Cours de change
  • 5172.59 AR
  • |
  • $4465.79 AR
Copyright Image : © Déco Journal Des Femmes
Image
Fahalalana Ankapobeny

Fikafika tsotra hanesorana ny tasina arafesina

23/09/2025 14:22 © Moov.Mg

Matetika ny fitaovana vy dia mety ho arafesina rehefa ela ny ela. Mikiky ilay vy ary mamela tasy moa izany. Tsy voatery soloina avy hatrany ny fitaovana vy tratran’izany. Azo atao ny manarina azy ireny amin’ny alalan’ireto fikafika tsotra hanesorana ny tasina arafesina atoro manaraka ireto.

Fanesororana tasina arafesina : kosehana hiala ny tasy

Isan’ny fomba voalohany hanesorana tasina arafesina amin’ny fitaovana vy ny fikikisana sy ny fikosehana ny faritra tratran’izany. Tsy kosehana mafy loatra kosa mba hanimba ilay fitaovana. Ny tanjona dia ny hanala ny tasy fa tsy hanakiaka azy. Fitaovana malefaka toy ny « papier de verre à grains », « éponge abrasive » na « paille de fer »… no hikosehana moramora ilay tasy. Rehefa vita izay dia fahoana amin’ny lamba mandomando avy eo hamainina tsara.

Diovina amin’ny voasary makirana sy sira

Akora natoraly mandaitra amin’ny fanesorana ny tasina arafesina eo amin’ny fitaovana vy ny voasary makirana sy sira. Tsotra ny fomba fampiasana azy. Rarahana ranona voasary makirana eo amin’ilay faritra misy tasy. Avy eo rarahana sira vovony ary avela hiasa ny « réaction chimique » aterak’izany. Aorian’izay dia kosehana. Raha hita fa tsy miala ilay tasy dia avela hilona mandritra ny ora maromaro eo ilay voasary makirana sy sira izay vao kosehana.

Mampiasa vinaigitra fotsy hanalana ny tasina arafesina

Isan’ireo akora fanadiovana fitaovana samihafa fampiasa ao an-trano ny vinaigitra fotsy. Afaka manampy amin’ny fanesorana ny tasina arafesina eo amin’ireo fitaovana vy ao an-tokantrano ihany koa izy io. Mba hampandaitra tsara azy dia tsara raha afanaina ilay vinaigitra fotsy. Avy eo atao anaty koveta ary atsoboka ao ilay faritra misy tasy. Raha toa ka miraikitra be ity farany dia azo asiana siramamy vaingany ao anatin’ilay vinaigitra. Io fangaro io no araraka eo amin’ilay tasina arafesina ary avela hiasa mandritra ny minitra maro vao kobanina sy hamainina tsara.

Lire la suite

Articles Similaires