• Cours de change
  • 5172.59 AR
  • |
  • $4465.79 AR
Copyright Image : © Kitchenaid Fr
Image
Fahalalana Ankapobeny

Fomba tsotra fanamboarana « cube bouillon » ao an-trano

30/09/2025 15:06 © Moov.Mg

Akora iray tena manampy amin’ny fanomezana tsiro ny nahandro ny « cube bouillon ». Azo ampisaina amin’ny lasopy, rony sy nahandro ritra samihafa izy io. Efa misy moa ny « cube bouillon » vonona ampiasaina hita eny an-tsena eny. Misy akora simika nefa ny ankamaroan’izy ireny ka tsy dia tsara hoanina matetika. Azo atao tsara ihany koa ny manamboatra « cube bouillon » vita ao an-trano. Araho ary.

Ireo akora ilaina raha hanao « cube bouillon »

-Tongolo 2 ;
-Kaorizety 1 ;
-Tongolo gasy 3 ;
-Karaoty 4 ;
-Céléri miaraka amin’ny fakany 4 ;
-Persily 1 fehezana ;
-Menaka oliva 2 sotro fihinanana ;
-Sira 2 sotro fihinanana ;
-Dipoavatra 1 sotrokely ;
-Ovy 2 notetehana 4.

Ireo dingana amin’ny fanaovana azy

Voasana ny tongolo sy ny tongolo gasy. Tetehana tsy atao madinika ny kaorizety avy eo potserina anaty « robot multifonction » mandrapaha potipotika azy madinika (tsy potsitra). Afindra anaty lovia jobo. Arotsaka anaty « robot » indray ny karaoty voasasa tsy novoasana, ny céléri sy ny persily. Potserina mandrapaha potipotika azy tsara.
Afanaina anaty vilany ny menaka oliva. Arotsaka ao ny legioma. Asiana sira sy dipoavatra. Arotsaka ao manarak’izay ny ovy voatetika. Avela hikelitra mandritra ny 15 hatramin’ny 20 minitra mandrapahalemin’ny ovy. Potserina anaty « mixeur » mba halemy tsara.
Avelatra eo ambony « plat » nasiana, tsy atao fisaka loatra ny famelarana azy, avy eo rakofana « papier sulfurisé » dia atao anaty « congélateur » mandritra ny adiny 12 ora mandrapa mafimafy azy. Tetehana ho lasa « cubes » ary azo ampiasaina amin’ny nahandro avy hatrany. Tehirizina anaty « congélateur » raha mbola tsy ampiasaina avy hatrany.

Lire la suite

Articles Similaires