• Cours de change
  • 5163.73 AR
  • |
  • $4460.07 AR
Copyright Image : © Doctissimo
Image
Fahasalamana&Sakafo

Te hampihena vatana : araho ny fanaovana « soupe mange-graisse »

23/09/2025 16:25 © Moov.Mg

Isan’ireo sakafo malaza fa mandaitra amin’ny fampihenana vatana ny « soupe mange-graisse ». Mananana fiasa « diurétiques » sy « laxatives » moa ity lasopy ity ka manampy amin’ny fanadiovana ny ao anaty ary manala ireo tavy be loatra miangona eo amin’ny vatana. Ahitana vitamina, fibra sy otrikaina tsara ihany koa nefa ao aminy mba hiarovana ny vatana amin’ny « carences » samihafa. Araho ary ny fomba fanaovana « soupe mange-graisse » sy ny fihinanana azy.

Ireo akora ilaina raha hanao « soupe mange-graisse »

-Céléri tahony 6 ;
-Laisoa 1 ;
-Poivron maitso 1 ;
-Tongolo 6 ;
-Tongolo maitso hasiny 4 ;
-Voatabia voavaofy 2 ;
-Karaoty 2 ;
-Rano 3 litatra ;
-Sira sy dipoavatra.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Sasana tsara avokoa ireo legioma rehetra. Voasana sy tetehana manify.
Ampangotrahana ny rano. Arotsaka ao ireo legioma rehetra. Asiana sira sy dipoavatra. Azo asiana « cube de bouillon de poulet » iray raha tiana fa tsy voatery.
Avela hiketrika mandritra ny 15 hatramin’ny 20 minitra eo ho eo.
Azo hoanina avy hatrany ity « soupe mange-graisse » ity. Raha tiana halemy kosa nefa dia azo potserina anaty mixeur. Mora hoanina kokoa moa ity farany.

Ny fomba fihinanana ny « soupe mange-graisse »

Raha te hampihena vatana amin’ny alalan’ny « soupe mange-graisse » dia mila arahana tsara ny fomba fihinanana azy io. Mila hoanina mandritra ny 7 andro misesy moa ity lasopy ity ka izy. Izy io no atao foto-tsakafo, izany hoe hoanina atao sakafo maraina, atoandro sy hariva. Raha noana eny antenantenam-potoana dia afaka mihinana azy ihany koa.
Tsy tokony hoanina mihoatra ny 7 andro kosa nefa izy io satria mety hahatonga « carences ». Ankoatra izay dia azo atao ny mampiditra sakafo sasany anatin’ilay « régime » mba hisorohana ny tsy fahampiana otrikaina sy mineraly. Tsy adinoina ny misotro rano tsara mandritra ny tontolo andro. Azo solosoloina ireo legioma ampiasaina anatin’ilay lasopy mba tsy ho mora leo. Ny laisoa kosa nefa dia tsy azo asolo.
Alohan’ny hanombohana ity karazana « régime » fampihenana vatana ity dia tsara hatrany ny manontany ny hevitry ny mpitsabo.

Lire la suite

Articles Similaires