• Cours de change
  • 5163.73 AR
  • |
  • $4460.07 AR
Copyright Image : © Ohmymag
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Triangle de la Mort » : faritra eo amin’ny tarehy mila tandremana tsara

24/09/2025 15:48 © Moov.Mg

Mbola maro amintsika no tsy mahafantatra fa misy faritra saropady eo amin’ny tarehy, io faritra io no atao hoe « Triangle de la Mort ». Ny « infection », heverina ho tsy misy atahorana, toy ny mony, vay… eo amin’izy io dia mety hitarika fahasarotana, ary mety hahafaty, raha tsy voatandrina. Araho ary ireo tsara fantatra mikasika ny « Triangle de la Mort » sy ny fitandremana mila atao.

Inona no atao hoe « Triangle de la Mort » eo amin’ny tarehy ?

Eo amin’ny sehatry ny fitsaboana, ny « Triangle de la Mort » dia manondro faritra manokana eo amin’ny tarehy, dia ny zoro ivelan’ny maso tsirairay, ny zoron’ny molotra ary ny fototry ny orona. Manome sarina telozoro moa ireo faritra ireo raha faritana.
Mila tandremana tsara io « Triangle de la Mort » eo amin’ny tarehy io satria ny lalandrà eo amin’io faritra io dia mifandray mivantana amin’ny « sinus veineux » ny atidoha. Anisan’izany moa ny « sinus caverneux », amin’ny alalan’ny « veines ophtalmiques sans valves ».
Noho io antony io dia raha misy « infection » eo amin’ny « Triangle de la Mort » dia mety hiparitaka haingana mankany amin’ny atidoha izany ary hahafaty raha tsy voaray an-tanana ara-potoana. Matetika moa dia ireo « infections » avy amin’ny bakteria eo amin’ireo faritry ny tarehy voalaza ireo no mety mitarika fahasarotana ara-pahasalamana raha toa ka miparitaka sy tafiakatra any amin’ny atidoha.

Ireo fihetsika mety hampidi-doza

Misy fihetsika sy fahazarana mety mandrisika ny fahatongavan’ireo « infections » eo amin’ny « Triangle de la Mort » mankany amin’ny atidoha izay mila tandremana. Anisan’izany ny :
-Famakiana na fiaotraorana ny mony na ny vay ao anaty orona ;
-Tsy fitandrovana ny fahadiovan’ny nify na ny anaty orona ;
-Fampiasana « cotons-tiges » na fisokisokirana ny orona amin’ny zavatra mafy ;
-Tombokavatsa na « piercings » ao amin’ny faritry « Triangle de Mort » tsy azo antoka ny « précautions sanitaires ».

Ireo fitandremana tsara atao

Mba hisorohana ny mety ho fahasarotana ara-pahasalamana mikasika ny « Triangle de la Mort » dia :
-Fadiana ny mikitikitika na mamaky ny mony eo amin’ny faritra anelanelan’ny maso sy ny molotra ;
-Manantona mpitsabo vao mahatsikaritra fambarana « infection » mampiahiahy, toy ny hoe mivaramena, mivonto, mafana, manaintaina… ;
-Tandrovana tsara ny fahadiovan’ny tarehy, tanana sy hoho ;
-Tsaboana ara-dalàna ny « infections » ORL na ao amin’ny nify.

Lire la suite

Articles Similaires