Ireo karazana sakafo mora mampahazo aina
Afaka mihinana sakafo be kaloria raha te hahazo aina. Tsy midika kosa nefa izany hoe mihinana izao rehetra izao. Tsara fadiana na ferana hatrany ireo sakafo tsy mahasalama. Ireo karazana sakafo be kaloria nefa afaka mitondra otrikaina no tsara hoanina. Araho eto ary ireo karazana sakafo mampahazo aina.
Inona no antony mahatonga ny olona sasany sarotra mahazo aina ?
Alohan’ny fampafantarana ireo karazana sakafo mampahazo aina dia andeha aloha resahana ireo antony mety mahatonga ny olona sasany mahazo vahana. Anisan’izany ny :
-Vahana. Misy karazan’olona sasany no manana toe-batana manify na hoe mahia ara-boajanahary. Izany hoe tsy misy olana ara-pahasalamana fa izy fotsiny no sarotra mahazo aina na dia ampy aza ny « apport calorique » entin’ny sakafo hoaniny.
-« Métabolisme rapide ». Izany hoe mandoro malaky be ny kaloria hazony ny vatana. Izany dia mahatonga ilay olona mihena ho azy eny, tsy misy antony manokana. Mety manana « métabolisme hyperactif » ny olona iray raha toa ka mafana hoditra lava sy mazoto homana be nefa tsy matavy.
-Rarintsaina. Isan’ireo antony lehibe tsy mampahazo aina ny rarintsaina. Ny olana ao am-piasana, ao amin’ny fianakaviana na ny mpiara-monina dia mety hitarika tebiteby sy adintsaina. Matetika moa izany dia misy fiantraikany eo amin’ny habe, na mampahazo aina na mampahia.
-Areti-mitaiza sasany. Misy karazana aretina, toy ny aretin’ny fo sy ny lalandrà, ny diabeta, ny homamiadana… izay mampahia. Raha mahatsikaritra fa mihena ho azy sy tsy ara-dalàna dia tsara ny manantona mpitsabo.
Ireo karazana sakafo mora mampahazo aina
Isan’ireo fomba manampy raha te hahazo aina ny fanamboarana ny fomba fisakafoanana. Misy ireo karazana sakafo mila ampidirina anatin’ny fahazarana ara-tsakafo, toy ny :
-« Smoothies ». Ho an’ireo tsy mahafantara moa dia voankazo na legioma nopotserina malemy (mixer) ny « smoothies ». Afaka tapohana ranom-boankazo, rano, ronono… ary ampifangaroana ny voankazo samihafa. Tsy tokony asiana siramamy izy ity. Io no ezahana sotroina rehefa misakafo maraina na rehefa manao « goûter ».
-« Féculents ». Ny « féculents » dia mitahiry « glucides » izay mitondra hery ho an’ny vatana. Tsara hoanina isaky ny misakafo izy ireny. Anisn’ny « féculents » moa ny vary, mofo, paty… Tsara kosa raha ireny karazana « céréales complètes » no safidiana noho izy ireny mahasalama sy be otrikaina kokoa.
-Atody. Isan’ny sakafo be protéina izay manampy ny hozatra hitombo ny atody. Mba hahazo vokatra tsara dia ampiarahana amin’ny fampiasana vatana na fanatanjahantena matetika ny fihinanana azy ireny.
-Trondro. Ny trondro matavy na « gras » dia manankarena proteina ihany koa. Manampy betsaka amin’ny fikoloana ny fahasalamana ny fihinanana azy ireny ary mety hampahazo aina ihany koa.
-Hena. Ny karazana hena mahia na « viande maigre », toy ny akoho amam-borona, dia tena ilaina ihany koa raha te hahazo aina. Ahitana protéina sy otrikaina hafa toy ny vitamina B9 sy B12 ao amin’izy ireny.
-Vokatra azo avy amin’ny ronono. Be kalsioma, proteina sy vitamina ny ronono sy ny vokatra azo avy amin’izy ireny. Tsara hoanina matetika arak’izany ny ronono, fromazy sy yaourts raha te hahazo aina.
-Voankazo sy legioma. Marina fa tsy dia be kaloria ny voankazo sy ny legioma, nefa kosa ilaina hatrany ny mihinana azy ireny noho izy be otrikaina sy mineraly. Anisan’ireo voankazo tena tsara hoanina raha te hahazo vatana ny zavoka sy ny akondro.