Fahasalamana : ireo tsara fantatra mikasika ny « paralysie cérébrale » na PC
Marihana ny 06 oktobra ny andro maneran-tany ho « paralysie cérébrale » na PC ho an’ity taona 2025 ity. Fitambarana olana eo amin’ny ati-doha izay miseho mandritra ny fahazazana izy io ary misy fiantraikany maharitra eo amin’ny fahahana mihetsika na mampihetsika ny vatana (motricité). Manodidina ny 17 tapitrisa ny olona tratr’izany maneran-tany ary aman’arivony ny eto Madagasikara. Andeha ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika ny « paralysie cérébrale ».
Inona no atao hoe « paralysie cérébrale » ?
Ny « paralysie cérébrale » na PC dia andian-teny entina ilazana fahasembanana vokatry ny « lésions » tsy azo arenina eo anivon’ny atidohan’ny zaza ao am-bohoka na ny zazakely. Avy amin’ny fahasimban’ny sela sasany nandritra ny fitombon’ny atidoha izy io. Ireo « lésions » ireo dia mitarika fitambarana olana eo amin’ny fihetsehana (mouvement) na ny « posture », ary indraindray mety ho arahana « difficultés cognitives » na « sensorielles » izay entina mandra-maty.
Inona no antony mety mahatonga azy ?
Mbola tsy voafaritra mazava ireo antony mahatonga ireo « lésions » ao amin’ny atidohan’ny zaza izay miteraka ny « paralysie cérébrale ». Misy ihany nefa ireo anton-javatra heverina fa mety mitarika azy io, toy ny :
-« Mutation » kisendrasendra eo amin'ny fototarazo mifehy ny fivoaran'ny atidoha ;
-Otrikaretina teo amin’ny bevohoka ka nisy fiantraikany teo amin’ny fitomboan’ny zaza ao an-kibo ;
-Otrikaretina nahazo ny zazakely nitarika « inflammation » tao amin’ny atidohany ;
-« Traumatisme crânien », ka anisan’izany ny ratra teo am-paterahana ;
-Fahatapahan’ny lalandrà ao amin’ny atidoha teo amin’ny zaza ao an-kibo ka lasa nanakorontana ny fikorian’ny rà ary nanembatsembanana ny fitombon’ny atidohany ;
-Tsy fahampiana « oxygène ».
Ahoana ny fomba fisehon’ny « paralysie cérébrale » ?
Samihafa ny fomba fisehon’ny « paralysie cérébrale » eo amin’ny olona tsirairay. Amin’ny ankapobeny ny olona voa dia ahitana olana eo amin’ny fihetsehana (mouvements), toy ny hoe :
-Mihinjitra sy malemy ny hozatra ;
-Sahirana amin’ny fampihetsehana ny hozatra ;
-Manao fihetsehana (mouvements) tsy niniana ;
-Mitelin-drora na be ivy be loatra ;
-Sahirana miteny ;
-Sahirana mitazona zavatra ;
-Sahirana mamindra ;
-Sahirana manao « mouvements de contorsion ».
Ireo karazana « paralysie cérébrale »
Miankina amin’ny karazan’ny « trouble du mouvement » ny fitsinjarana ireo karazana « paralysie cérébrale » :
-« Paralysie Cérébrale Spastique ». Izy io no matetika mitranga indrindra. Miseho amin’ny fihenjanana na tsy fahafahana manetsika ny hozatra vokatry ny « hyper-réflexivité » izy io. Izany dia mahatonga fahasahiranana mihetsika sy « déformations » eo amin’ny vanintaolana. Mety ho rantsam-batana iray, ilan’ny vatana, rantsam-batana ambany na ny rantsam-batana rehetra no voakasik’izany ;
-« Paralysie Cérébrale Dyskinétique ». Miseho amin’ny fihetsehana tsy niniana, miadana, fiolakolahana, fihetsehana tampoka… izay mahatonga ny vatana ho sarotra baikoana ;
-« Paralysie Cérébrale Ataxique » izay misy fiantraikany eo amin’ny « équilibre » sy ny « coordination » ka mitarika fangovitana na famindra « instable » ;
-« Paralysie Cérébrale Mixte » izay fitambarana soritr’aretina roa na telo.
Ahoana ny fandraisana an-tanana ny fitsaboana ny « paralysie cérébrale » ?
Tsy azo sitranina ny « paralysie cérébrale ». Ny fandraisana an-tanana ny marary dia miompana amin’ny fanatsarana ny fomba fiainany sy ny « autonomie ». Anisan’ny fomba atao hanatanterahana izany ny :
« Kinésithérapie » mba hanamafisana ny hozatra, hanatsarana ny famindra, hampitomboana ny hery, hanatsarana ny « posture »… ;
-« Ergothérapie » izay manampy amin’ny fanatsarana ny fahaiza-manao ilaina amin’ny fiainana andavanandro (misakafo, miakanjo) sy ny fampiasana ireo « aides techniques » toy ny « fauteuils », « appareillages »… ;
-« Orthophonie » izay entina hanatsarana ny olana eo amin’ny fahafahana miteny, mitelina… ;
-Fitsaboana amin’ny alalan’ny fanafody na ny fandidiana.