Laisoa mena : Fantaro ireo vokatsoa 10 azo avy aminy
Tsara loko sady manintona ery ny laisoa mena. Na dia tsy fahita firy eny an-tsena sy lafo kokoa aza ny vidiny, tsy mahafaty antoka ny fihinanana azy. Andeha ho fantarina ireo vokatsoa 10 entiny ho an'ny fahasalamana.
1-Mahasalama ny maso
Manankarena "zéaxanthine" sy "lutéine" ny laisoa mena ka mahasoa tokoa ny fahasalaman'ny maso. Miaro ny maso amin'ny "rayons UV" ireo akora ireo.
2-Manamora ny fandevonan-kanina
Tsy vitsy ireo mieritreritra hatrany hoe "mavesatra" ny laisoa. Tsara nefa ny mahalala fa manampy amin'ny fandevonan-kanina ny laisoa mena. Tsara raha hanina manta izy sady tsy atao be vinaigitra na dipoavatra.
3-Mahatsara ny fo
Mampavitrika ny vatana hamokatra sela mena (globules rouges) ny laisoa mena. Noho izany, mampirindra ny fikorian'ny rà io legioma io. Mahatsara ny fahasalaman'ny fo izy, satria mampiasa tsara ny hozatry ny fo.
4-Mampihena ny Cholestérol
Anisan'ny miteraka aretina ny tahan'ny Cholestérol ambony loatra. Raha te hampihena ny tahan'ny Cholestérol sy hanadio ny any anaty, tena mahasoa ny fihinanana laisoa mena, na dia indray mandeha isan-kerinandro aza.
5-Manamafy ny hery fiarovana
Mitondra vitamina C ny laisoa mena, ka mampitombo ny hery fiarovana. Raha mazoto mihinana io legioma io izany dia tsy ho mora andairan'aretina.
6-Mahatanora lalandava
Tsy vitamina C ihany no azo amin'ny laisoa mena fa eo ihany koa ny vitamina A sy E. Ireo singa ireo moa dia mahamandina ny hoditra sady misoroka ny fahafainganan'ny fipoiran'ireo soritry ny fahanterana.
7-Manamaivana ny fanaintainana
Mampitony fanaintainana ny fihinanana laisoa mena, indrindra ny vokatry ny "arthrose", ny "rhumatisme" sy ny aretin'ny taova isankarazany. Raha voafaritra ilay marary dia azo asiana laisoa mafana eo aminy.
8-Mampatanjaka ny taolana
Misy vitamina K ihany koa ny laisoa mena. Noho izany dia mandray anjara feno amin'ny fanamafisana ny taolana izy : tsy mora tapaka sady tsy mora andairan'aretina ny taolana.
9-Manampy amin'ny fitsaboana ny diabeta
Mamokatra "insuline" ao amin'ny vatana ny laisoa mena. Misitraka siramamy natoraly izany ny vatana. Mety tsara ho an'ny diabetika io legioma io, hahafahana mmandanjalanja ny tahan'ny siramamy ao anaty rà.
10-Manampy amin'ny fitsaboana ny homamiadana
Anisan'ireo sakafo tokony hanin'ireo voan'ny cancer ny laisoa mena. Manakana ny fitomboan'ny sela marary mantsy io legioma io.