• Cours de change
  • 5172.59 AR
  • |
  • $4465.79 AR
Copyright Image : © Chez Fred
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ranon’ny papay maitso na « sève de papaye » : mitondra vokatsoa maro

01/10/2025 15:41 © Moov.Mg

Voankazo isan’ny mahasalama indrindra ny papay noho izy mitahiry vitamina sy otrikaina maro. Ny ranon’ny papay maitso (manta) na « sève de papaye » ihany koa dia mitondra vokatsoa maro, indrindra ho an’ny hoditra, noho izy mitahiry « papaïne ». ‘Ndeha ary ho fantarina eto ny santionany amin’ireo vokatsoa azo avy amin’ny ranon’ny papay maitso.

Ranon’ny papay maitso : hikolokoloana ny hoditra

Akora natoraly azo ampiasaina amin’ny fikarakarana sy fanatsarana ny hoditra ny ranon’ny papay maitso. Maro ireo vokatsoa azo avy aminy :
-« Exfoliation » malefaka. Ny « papaïne » ao anatin’ny ranon’ny papay maitso dia manampy amin’ny fanalana ny sela maty eo amin’ny hoditra. Azo ampiasaina atao « exfoliant » izy io mba hampalama sy hampalefaka ny hoditra ;
-Manamandina sy manalefaka ny hoditra. Ny ranon’ny papay manta dia manankarena « agents hydratants » sy « antioxydants ». Ny fizarana mampiasa azy io dia manampy amin’ny fanamandinana ny hoditra makiana sy manalefaka azy.
-Manasitrana ny voditongotra triatra sy mampitony ny fery kely amin’ny hoditra. Manana fomba fiasa « cicatrisantes » sy « antimicrobiennes » ny ranon’ny papay maitso. Azo ampiasaina hanasitranana ny voditondotra vakivaky sy triatra izy io ary manampy ihany koa amin’ny fanasitranana ny ratra kely eo amin’ny hoditra.

Fomba fampiasana sy fikarakarana azy

Tsotra ny fomba fikarakarana ny papay maitso hahazoana ny ranony. Alaina ny papay mbola manta ary sasasana tsara. Ahontsana na tsindriana moramora dia hivoaka ilay ranony fotsy (ho an’ny papay vao avy nongotana). Raha tsy misy ranony mivoaka dia somary didiana kely amin’ny antsy mba hivoahan’io ranony io.
Mikasika ny fampiasana azy hanasitranana ny voditongotra vakivaky na triatra. Sasana tsara amin’ny rano mafana sy savony ny tongotra avy eo kobanina. Fafana amin’ny lamba madio ho maina. Hosorana ranon’ny papay manta eo amin’ilay faritra vakivaky na triatria. Somary kosehana moramora mba hiditra tsara. Avela hipetraka 20 hatramin’ny 30 minitra aveo kobanina. Atao isan’andro mandritra ny 7 andro.
Ho an’ny fikarakarana ny hoditra indray dia mila mandro tsara aloha. Hosorana ranon’ny papay manta ny hoditra mbola mando iny. Somary kosehana mba hiala ireo sela maty. Avela hilona kely 10 minitra dia mikobana amin’ny rano matimaty. Azo atao indroa isan-kerinandro mba hahazo vokatra tsara.

Fanamarihana

Tsy azo ampiasaina amin’ny voditongotra vakivaky na mitriatra raha toa ka misokatra be ilay fery. Toy izay ihany koa ho an’ny ratra lehibe na lalina. Andramana amin’ny faritra kely aloha ny ranon’ny papay manta ka raha toa ka misy « réaction allergique » dia ajanona avy hatrany ny fampiasana azy. Amin’ny maha akora natoraly azy io moa dia mila mahavatra mampiasa azy vao hita tsara ny vokatra.

Lire la suite

Articles Similaires