Aorian'ny fisotron-dronono : tsy mety ny mipetrapetraka fotsiny
Maro tokoa ny mihevitra fa ny fisotron-ronono na « retraite » dia fotoam-pialan-tsasatra sy hakàna aina tsara rehefa avy nitototo niasa ampolo taona maro. Tena ilaina tokoa ny maka aina tsindraindray, nefa kosa tsy midika izany fa hipetrapetraka fotsiny amin’izay. Amin’izao andro iraisam-pirenena ho an’ny beantitra izao dia tsara ny mampahafantra ny maha zava-dehibe ny fanohizana mampihetsiketsika vatana sy mandranitra ny saina aorian’ny fisotron-dronono.
Ireo mety ho vokadratsin’ny tsy fampiasana vatana sy saina aorian’ny fisotron-dronono
Mety misy vokadratsy eo amin’ny vatana sy ny saina ny tsy fipetrapetrahana fotsiny aorian’ny fisotron-dronono. Manafaingana ny « déclin » avy amin’ny fahanterana moa izany. Anisan’ny mety ho vokadratsiny ny :
-Aretin’ny fo sy ny lalandrà. Ny « sédentarité » na tsy fampiasana vatana dia isan’ireo anton-javatra lehibe mahatonga areti-mitaiza. Mampitombo ny « risques » hampiakatra ny tosidrà, hahavoan’ny diabeta sy hatavezana be loatra izany. Ny tsy fahampian’ny fanetsiketseham-batana dia mampihena ny fampiasana ny fo ka mety hamparefo ny « système cardiovasculaire ».
-« Perte musculaire et osseuse ». Ny tsy fanetsiketseham-batana matetika aorian’ny fisotron-dronono dia mitarika fahaverezan’ny hozatra maro eo amin’ny vatana izay atao hoe « sarcopénie ». Mampihena ny hakitroky ny taolana (densité osseuse) izay atao hoe « ostéoporose » ihany koa izy io. Ireo tranga ireo dia mampihena ny hery, ny fahafahana mihetsika na mamindra ary mamparefo ny taolana ka mampitombo ny « risques » amin’ny fatapahan’ny taolana.
-Fitomboan’ny « risques » hianjerana. Ny fihenan’ny tanjaky ny hozatra, ny « équilibre » sy ny fahafahana mamindra ara-dalàna vokatry ny tsy fanetsiketseham-batana no isan’ireo antony lehibe mampienjera ny beantitra. Mety misy fiantraikany ratsy sy sarotra moa izany fianjerana izany ary manafaingana ny tsy fahafahana mikarakara tena irery intsony.
-Fikorontanan’ny vanintaolana. Ny tsy fahampian’ny fanetsiketseham-batana ihany koa dia misy vokadratsy eo amin’ny « souplesse » sy ny « mobilité » an’ireo vanintaolana. Izany dia mety mampihombo ireo soritr’aretin’ny « arthrose » sy hahatonga fanaintainana maharitra.
-« Déclin cognitif ». Rehefa tsy ampy ny fampiasana ny vatana dia lasa tsy miasa tsara ihany koa ny fikorian’ny rà mankany amin’ny atidoha. Izany dia manafaingana ny « déclin cognitif » izay mety mampihena ny fitadidiana, ny fifantohana sy ny fahahafahana mieritreritra. Ankoatra izay dia mety hampitombo ny « risque » hahatonga aretina toy ny Alzheimer.
Inona ary no tokony atao ?
Mba hisorohana ireo vokadratsy mety ateraky ny fipetrapetrahana fotsiny aorian’ny fisotron-dronono dia ilaina ny manohy mampihetsiketsika ny vatana matetika sy ny fandranitana ny saina. Anisan’ny azo atao ny :
-Mandeha tongotra mandritra ny 30 minitra isan’andro na mivezivezy amin’ny tohotra mandritra ny minitra vitsivitsy ;
-Mikaroka « activités » tiana sy afaka handaniana ny andro, toy ny fanaovana zaridaina, fanaovana asa-tanana madinika, famakiana boky, fanaovana lalao mandranin-tsainan fikarakarana sakafo… ;
-Mifanerasera amin’ny hafa mba hisorohana ny fitokatokanana.