Fahasalamana : ‘ndeha ho fantarina ny « allergie virale » eo amin’ny ankizy
Tsy mitsahatra miady amin’ny otrikaretina, indrindra ny viriosy, ny hery fiarovan’ny ankizy. Ny ankamaroan’ireo « infections » avy amin’ny viriosy mahazo azy ireny dia malefaka sy mandalo ihany. Misy amin’izy ireny kosa nefa no arahana soritr’aretina mitovy amin’ny « réactions allergiques ». Izy ireo no atao hoe « réactions d’hyperréactivité post-virale » na « allergie virale ». Araho eto ireo tsara fantatra mikasik’izany.
Inona no atao hoe « allergie virale » ?
Samihafa amin’ny « allergie classique » na fahita ny « allergie virale ». Ity voalohany dia « réaction » manokana sy eo no ho eo manoloana ny « allergène » na ny zavatra tsy zakan’ilay ankizy ka mahatonga ny « anticorps IgE » hiady. Ny « allergie virale » kosa dia avy amin’ny « inflammation » an’ireo « tissus » naterak’ily viriosy. Io « inflammation » io dia mahatonga ireo taova voakasik’izany ho lasa mora andairan’ny « stimuli » kokoa.
Ahoana ny fisehon’ny « allergie virale » eo amin’ny ankizy ?
Mizara ho roa lehibe ny fisehon’ny « allergie virale » eo amin’ny ankizy :
Ny fisehony eo amin’ny hoditra na « urticaire post-virale »
Ny « urticaire » no fomba fisehon’ny « allergie virale » fahita indrindra eo amin’ny ankizy. Aorian’ny otrikaretina avy amin’ny viriosy, toy ny sery, gripa, nendramboalavo… no mipoitra izy io. Anisan’ireo soritr’aretina mitranga ny fisian’ny « plaques rouges », mivoitra kely, eo amin’ny hoditra. Mangidihidy izy ireny ary mety hiala amin’ny faritra iray avy eo mifindra amin’ny faritra hafa eo amin’ny vatana anatin’ny ora vitsy. Avy amin’ny famokaran’ny hery fiarovana « histamine » be loatra no mahatonga azy io. Tsy dia atahorana ity « urticaire » ity ary afaka ho azy anatin’ny andro na herinandro vitsy izy io.
Ny fisehony eo amin’ny fisefoana na « hyperréactivité Bronchique »
Aorian’ny « infection respiratoire virale », toy ny « rhinopharyngite », « bronchite »… eo amin’ny ankizy no mety mipoitra ny « hyperréactivité bronchique transitoire ». Karazana « allergie virale » ihany koa izy io. Miseho amin’ny fisian’ny koho-maina maharitra, izy io. Rehefa mampiasa vatana, mangatsiaka na mihomehy no tena mampihetsika azy. Ny mahatonga ny « hyperréactivité bronchique » moa dia ny fanimban’ny « infection virale » ny « épithélium des bronches ». Lasa mora mikainkona ireo « bronches » vao misy manaitra kely azy (stimuli). Mety maharitra 3 hatramin’ny 8 herinandro ity kohoka ity ary sitrana ho azy amin’ny ankapobeny. Raha miverimberina matetika kosa izy io, indrindra eo amin’ny zazakely, dia mety efa fambara mialohana sohika.
Oviana no mila manantona mpitsabo ?
Na dia tsy misy atahorana aza ny « allergie virale » eo amin’ny ankizy amin’ny ankapobeny, dia misy ihany ireo fambara tokony hahamailo sy handrisika hanantona mpitsabo :
-« Allergie virale » miseho eo amin’ny hoditra miseho miaraka amin’ny fivontosan’ny molotra, lela na tarehy ; sahirana mihaina na misioka ny tratra rehefa miaina ; manda na marary kibo mafy.
-« Allergie virale » miseho amin’ny fisefoana miaraka amin’ny fahasahiranana miaina (miaina haingana be, mangana ny molotra) ; kohoka be tsy mampatory na tsy hahavitany misakafo ; manavy be vao nanomboka kelikely ilay kohoka.