• Cours de change
  • 5115.71 AR
  • |
  • $4470.07 AR
Copyright Image : © Unsplash Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Famokarana sy fivarotana toaka gasy : Nolanian’ireo solombavambahoaka, taorian’ny fanitsiana

03/12/2025 11:48 © Moov.Mg

Lany teo anivon’ny Antenimierampirenena indray, rehefa avy nitondran’ny Antenimierandoholona fanitsiana, ary nodinihin’ireo solombavambahoaka fanindroany, ny tolo-dalàna momba ny famokarana sy fivarotana ny toaka gasy eto Madagasikara.

Fanatsarana ny seha-pihariana toaka gasy

Isan’ny fanovana nentin’ireo Loholona, tamin’ity tolo-dalàna ity, ny mikasika ny famokarana sy ny fanaraha-maso ny toaka gasy eo amin’ny lafiny ara-ketra. Nitarina ihany koa ny komity manome fanambarana manamarina ny fahafenoan'ny fenitra (avis conforme), ka nampidirina tao anatin’izany ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Izany no natao dia mba ho fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra sy ho fampanarahana fenitra ny vokatra toaka gasy eto Madagasikara. Eo ihany koa ny fampiroboroboana ny seha-piharian'ireo tantsaha, izay tafiditra ao anatin’ny rohim-pamokarana toaka gasy.

Taorian’ny fandinihana fanindroany dia tsy nitondra fanitsiana tamin’ny tolo-dalàna laharana faha-001-2025/PL momba ny famokarana sy famarotana ny toaka gasy eto Madagasikara intsony ireo solombavambahoaka, fa nandany izany, tamin’ny endriny nahitsin’ireo Loholona.

Famokarana manaraka ny fenitra

Tanjona tamin’ny fanatsarana ity tolo-dalàna momba ny famokarana sy famarotana ny toaka gasy ity indrindra koa ny fiarovana ara-pahasalamana. Miantoka izany ny ACSQDA na « Agence de contrôle de la sécurité sanitaire et de la qualité des denrées alimentaires », izay rantsa-mangaika iray ao anatin'ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Anjara asa hosahaniny ny fanaraha-maso ny fiarovana ara-tsakafo sy ny kalitaon’ny vokatra, ary koa ny ny fampiharana ny torolàlana momba ny fomba fiasa ara-tsiansa iombonana (Manuel de Procédure Scientifique Standardisé), ho fanampiana ireo mpamokatra toaka gasy hanaraka ny fenitra ara-kalitao.

Ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny Distrikan’Ambositra, Andriamihaja Fanomezantsoa Yves Georges, no nanolotra ity tolo-dalàna momba ny famokarana sy famarotana ny toaka gasy eto Madagasikara ity, raha tsiahivina. Tamin’ny volana mey 2025 no efa nandinihana sy nandaniana azy teo anivon’ny Antenimierampirenena, rehefa avy nasiam-panitsiana sy nasiam-panovana. Nitondra fanitsiana ihany koa ireo parlemantera teo anivon’ny Antenimierandoholona, ka izao naverina nodinihina sy nolaniana teny Tsimbazaza izao indray ity tolo-dalàna ity.

Lire la suite

Articles Similaires