Matsiatra Ambony : Tokantrano tra-boina tamin’ireo loza voajanahary miisa 1 667 hisitraka masomboly
Notontosaina, omaly, ny fandraisana ireo masomboly « poste catastrophe » ho an’ny faritra Matsiatra Ambony. Tokantrano miisa 1 667 no hisitraka izany, hahafahan’izy ireo mamokatra indray taorian’ny loza voajanahary. Ny ekipan’ny DRAE niaraka tamin’ny solontenan’ny Fandaharan’asa DEFIS sy TTMR-HM, no nanatanteraka izany.
Masomboly hiavotana amin’ny fiainana
« Velontena mivadika harena no kendrena », izany no teny filamatra tamin’ity fizarana masomboly ity. Taorian’ny loza voajanahary isan-karazany, toy ny rivo-doza, havandra, haintany ary tondra-drano mantsy dia nihena ny fahafaha-mamokatra ka mihena araka izany ihany koa ny masomboly azo. Rehefa izany dia mihena ihany koa ny vola miditra isan-tokantrano, ka izay hamadihana ireo fambolena ho lasa harena no tadiavina amin’ireto ezaka ireto. Marihina fa ireo masomboly ireo dia avy amin’ny Fandaharan’asa DEFIS, eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana izay vatsian’ny FIDA vola.
Nahitana masomboly tsaramaso fotsy (Lingot Blanc) milanja 1000 kg izany, niampy tsaramaso mena (Haricot Rouge Marbré Cal 98) 700 kg sy vary antanety (Nerica 4) 2000 kg ary vary andrano (X265), ihany koa, milanja 2000 kg.
Distrika miisa 6 no voakasika
Isan’ny toerana tena mpamokatra iny faritra iny ka ilaina indrindra ny fanohanana azy ireo toy izao. Velaran-tany mirefy 120Ha araka izany no hanapariahana ireo masomboly ireo, izay mizara amin’ny Distrika miisa 6.
Isan’izany ny Distrika Ambalavao, ka hahazo ny Kaominina Ambinanindovoka, Ambinaniroa, Anjoma, Ankaramena, Besoa, Mahazony, Miarinarivo, Namoly, Sendrisoa, Vohitsaoka, Volamena Namoly. Eo ihany koa ny Distrika Ambohimahasoa, izay misy ny Kaominina Ambohimahasoa, Ambohinamboarina, Ampitana, Ankerana, Befeta, Ikalalao, Morafeno, ary Vohiposa. Tafiditra ao ihany koa ny Kaominina Ambatomainty, Fitampito, Ikalamavony, Mangidy, Solila ; ao anatin’ny Distrika Ikalamavony. Ao amin’ny Distrika Isandra, misy ny Kaominina Andoharanomaintso, Anjoma Itsara, Ankarinarivo Manirisoa, Isorana, Mahazoarivo, Nasandratrony, Soatanana. Mbola hisitraka ireo masomboly ireo ihany koa ny Distrika Lalangina, izay misy ny Kaominina Alakamisy Ambohimaha, Ampatsy Ampangabe, Sahafata ary ny Distrika Vohibato, ka ao anatiny ny Kaominina Alakamisy Itenina, Andranomiditra, Andranovorivato, Ihazoara, Lamosina, Mahasoabe, Vinanitelo, Vohimarina, ary Vohitrafeno. Araka izany, ireo tantsaha avy amin’ireo kaominina miisa 43 ireo no ho mpisitraka mivantana ny masomboly.
Nanamafy ny avy ao amin’ny Minisitera fa hatomboka avy hatrany ny fizarana, mba hahafahan’ireo tantsaha misitraka vetivety ny tombony avy amin’izany.



