Fifidianana : Hodinihina sy havaozina ny fitsipika, ny lalàna ary ny rafitra
Tsy mahatoky fifidianana intsony ny Malagasy maro. Ho fanarenana izany indrindra dia hisy ny fandinihana sy fanavaozana ny fitsipika, ny lalàna ary ny rafitra mifehy ny fifidianana, mandritra ny Fikaonandoham-pirenena sy ny fikaonandoha isam-paritra.
Fanambin'ny fitondrana mijoro ankehitriny ny fikarakarana fifidianana madio sy mangarahara, mba hivoahana amin'izao tetezamita izao. Eo ho eo amin'ny roa taona no fotoam-piasan'ny mpitondra eo anivon'ny Fanavaozana, ka tanjona ny hiroso amin'ny fametrahana olom-boafidy ara-pomba demokratika.
Fampahatokisana ny vahoaka mikasika ny fifidianana
Tsy vitsy ireo Malagasy tsy mazoto mifidy noho ny fanjakazakan'antoko politika na olona ambony samihafa izay toa tompon'ny safidim-bahoaka avy hatrany. Mbola misy lesoka ihany koa ny lisi-pifidianana, ny fizaràna kara-pifidianana sy ny fandaminana isankarazany. Etsy ankilany, misy ihany koa ny tsy fahatomombanana eo amin'ny fikirakirana sy famoahana ny voka-pifidianana.
Noho ny fitarainana maro voaray, nanapa-kevitra ny Fitondram-panjakana fa hodinihina manokana ny mikasika ny fifidianana. Tsy ireo mpitondra samirery nefa no handroso sy hanapa-kevitra. Noho izany, ny Fikaonandoham-pirenena sy ny fikaonandoha isam-paritra no fotoana tsara indrindra hifanakalozan-kevitra sy handraisana fepetra manokana ho fanavaozana ny "fifidianana" eto Madagasikara.
Fametrahana Governora isam-paritra
Entina hanamorana ny Fikaonandoham-pirenena sy ny fikaonandoha isam-paritra ny fananan'ny faritra tsirairay tompon'andraikitra mahefa. Noho izany indrindra, hiroso amin'ny fanendrena vonjimaika ireo Lehiben'ny Faritra aloha ny Fitondram-panjakana, eo anivon'ny Filan-kevitry ny Ministra. Ho fanajana ny fitovian-jon'ny daholobe amin'ny fisitrahana asam-panjakana, nisokatra tamin'ny rehetra ny fametrahana antontan-taratasy ary atao ao anatin'ny fangaraharana tanteraka ny fisafidianana ireo ho Lehiben'ny Faritra.



