• Cours de change
  • 5115.71 AR
  • |
  • $4470.07 AR
Copyright Image : © Remapsen Mada
Image
Vaovao

Olona manana toe-tena varira : 27 no maty vokatry ny tsy fandriampahalemana, tao anatin’ny 4 taona

03/12/2025 16:09 © Moov.Mg

Mbola tsy mipetraka ireo paikady sy lalàna nasiônaly ahafahana miaro, mampiaty ary mampahaleo tena ny olona manana fahasembanana eto Madagasikara. Nanatanteraka dinika teny amin’ny tranon’ny Firenena Mikambana teny Andraharo ny solon-tenan’ireo olona manana fahasembanana sy ireo mpiara-miombona antoka aminy, omaly, nanombana ny zava-bita sy nindinika ireo ezaka tokony mbola hatao.

Fampiatiana sy fampahaleovan-tena

Marihina androany, toy ny isaky ny 3 desambra, ny andro iraisam-pirenena ho an’ireo olona manana fahasembanana. Tafiditra ao anatin’izany ny fanatanterahana ity dinika faharoa, nokarakarain’ireo rantsa-mangaikan’ny Firenena Mikambana eto Madagasikara ity, ary niarahana tamin’ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombona antoka rehetra misehatra amin’ny fampiatiana ireo olona manana fahasembanana. Araka ny fanazavan-dRazafindrakoto Falihery, filohan’ny Réseau malgache du handicap (RMH), dia « fotoana nahafahan’ireo mpiara-miombona antoka rehetra nifanakalo hevitra, nifampizara traikefa, nidinika momba ny tokony hatao hahafahana mampandray anjara bebe kokoa ny olona manana fahasembanana ao anatin’ny fiarahamonina sy hanomezana azy ireo ny toerany », ity fotoana ity.

Raha ny zava-misy eto Madagasikara dia mbola misedra olana ny ankapoben’ireo olona manana fahasembanana. Isan’ny anton’izany ny tsy fahatomombanan’ireo lalàna mahakasika azy ireo. Ho an’ireo olona manana toe-tena varira manokana, dia efa indroa no nisy tolo-dalàna nalefa nodinihina teo anivon’ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona. Nolanian’ireo parlemantera hatrany izany, saingy nolavin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana hatrany koa, hoy ny fanazavan’i Soja Ramiandrisoa Fulgence, filohan'ny fikambanana Albinos Madagascar. Nambarany anefa fa tao anatin’ny efatra taona, dia nisy 85 ny trangana tsy fandriampahalemana nahakasika ireo olona manana toe-tena varira teto Madagasikara, izay nitarika fahafatesan’olona varira 27 isa.

Paikady sy lalàna momba ny olona manana fahasembanana

Ny RMH dia efa namoaka naoty pôlitika, izay mitaky fanavaozana maromaro, ho fanatsarana ny tontolon’ireo olona manana fahasembanana. Voalohany amin’izany ny fanavaozana ny Lalàmpanorenana, izay tena tokony hametraka amin’ny toerany ireo olona manana fahasembanana, hiady amin’ny fanilikilihana sy ny fanavakavahana ary hiady ho amin’ny fitovian-jo. Tafiditra ao anatin’izany ny fanoratana ny tenin’ny tanàna ho isan’ny teny ara-dalàna ampiasaina eto amin’ny tany sy ny firenena.

Momba ireo paikady sy lalàna, dia notsihivin-dRazafindrakoto Falihery fa mbola tsy misy hatramin’izao ny fanatanterahana ny pôlitika nasiônaly ho an’ny fampiatiana sy ny fampahaleovan-tena ireo olona manana fahasembanana (politique nationale pour l’inclusion et l’autonomisation des personnes handicapées), izay efa nandaniana volabe tamin’ny fitetezana Faritra maro, nanatontosana fakan-kevitra. Eo koa ny famoahana ireo lalàna samihafa mahakasika ny olona manana fahasembanana sy ny didy fampiharana izany. Farany, notsiahivin’ny filohan’ny RMH fa efa tamin’ny taona 2015 i Madagasikara no niroso tamin’ny fankatoavana (ratification) ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon’ireo olona manana fahasembanana (convention internationale relative aux droits des personnes handicapées), saingy hatramin’izao dia mbola tsy navadika ho lalàna izany.

Lire la suite

Articles Similaires