• Cours de change
  • 5126.67 AR
  • |
  • $4472.59 AR
Copyright Image : © Passeportsanté
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo fambara ahafantarana tsy fahampiana vitamina C

05/12/2025 12:10 © Moov.Mg

Manampy ny vatana amin’ny fiadiana amin’ny otrikaretina, fanamorana ny fandraisany ny « fer », ny fahasitranan’ny ratra… ny vitamina C. Ahoana ary no ahafantarana fa lany tahirina vitamina C ao amin’ny vatana ? Araho eto ary ny santionany amin’ireo fambara mety maneho tsy fahampiana vitamina C ka tokony ho arahi-maso.

Tsy fahampiana vitamina C : ela kokoa ny fahasitranan’ny fery sy ratra

Ny vitamina C dia mandray anjara amin’ny « synthèse du collagène » izay manao amin’ny fihavaozan’ny « tissus » ary ny fanamafisana ny taolana sy ny hozatra. Mety ho fambaran’ny tsy fahampiana vitamina C arak’izany ny faharetan’ny fahasitranan’ny ratra ela loatra nohon’ny tokony ho izy.

Mandeha rà ho azy ny hihy sy ny orona

Raha ambany loatra na lany ny tahirana vitamina C ao amin’ny vatana dia mety handeha rà ho azy matetika ny hihy na ny orona. Lasa marefo tokoa mantsy ny lalandrà madinika ao amin’ireo faritra ireo rehefa tsy ampy vitamina C. Noho izany dia lasa mora mandeha rà vao misy « irritation » kely, toy ny hoe mafimafy ny volon’ny borosy nify, sarotra tsakoana ny sakafo nohanina…

Misy mangana eo amin’ny hoditra

Fambara iray mety maneho tsy fahampiana vitamina C ihany koa ny hoe lasa mora misy mangana eo amin’ny hoditra. Ny faharefoan’ireo lalandrà madinika ao ambanin’ny hoditra moa no mahatonga izany. Raha ny ara-dalàna dia rehefa voadona mafy ny hoditra vao misy mangana. Raha tsy ampy vitamina C nefa dia mety hisy mangana mipoitra ho azy na tsy voadona akory aza.

Mihena ny hery fiarovana

Ny vitamina C dia mandray anjara amin’ny fanamafisana ny hery fiarovana. Rehefa vaninandro ririnina izy io dia manampy amin’ny fiadiana amin’ireo otrikaretina mpiseho toy ny sery, gripa… Rehefa ambany ny tahan’ny vitamina C dia mihena arak’izany ihany koa ny habetsak’ireo « globules blancs ». Ireto farany nefa no miady amin’ireo viriosy sy otrikaretina samihafa. Raha mora andairan’ireo aretina « mandalo » àry dia mety ho fambarana tsy fahampiana vitamina C izany.

Lire la suite

Articles Similaires