Homamiadan’ny nono : ireo anton-javatra mampitombo ny « risques »
Ny homamiadan’ny nono no karazana homamiadana fahita indrindra amin’ny vehivavy maneran-tany. Na dia efa mandroso tokoa aza ireo fitiliana sy fitsaboana ity aretina ity dia ilaina hatrany ny mahafantatra ireo anton-javatra mampitombo ny « risques ». Manampy betsaka amin’ny fisorohana sy ny fanaovana fitiliana mialoha ny fahafantarana azy ireo.
Ireo anton-javatra avy amin’ny fototarazo sy nolovaina
Isan’ireo anton-javatra mampitombo ny « risques » hahavoan’ny homamiadan’ny nono ny « antécédents familiaux », izany hoe efa nisy voa ny ray aman-dreny tany aloha na ny fianakaviana akaiky. Ankoatra izay dia eo ihany koa ny fototarazo. Ny « mutations » eo amin’ny « gènes » sasany, toy ny BRCA1 sy BRCA2, dia mampitombo ny « prédispositions » hampisy homamiadan’ny nono.
Ny fandrosoan’ny taona
Ny fahazoana taona ihany koa dia anton-javatra iray lehibe mampitombo ny « risques » hahavoan’ny homamiadan’ny nono. Ny ankabeazan’ny homamiadan’ny nono dia mitranga aorian’ny faha 50 taona. Mitombo hatrany moa ny « risques » rehefa miha antitra. Eo ihany koa ny « antécédents personnels ». Izany hoe ny vehivavy efa tratry ny homamiadan’ny nono teo aloha ary sitrana dia mety mbola hiverenan’ilay aretina eo amin’ilay nono voa io ihany.
Ny hormonina sy lafiny ara-pananahana
Maro ireo anton-javatra misy ifandraisany amin’ny hormonina sy ny fiainanana ara-pananahana mety mampitombo ny « risques » hahavoan’ny homamiadan’ny nono, anisan’izany ny :
Fahatongavan’ny fadimbolana aloha loatra sy ny « ménopause » taraiky loatra. Rehefa maharitra loatra ny fotoana hisian’ny fadimbolana eo amin’ny vehivavy mandritra ny androm-piainany dia lava ihany koa ny fihanak’ireo hormonina ao amin’ny « tissus » ny nono. Raha tonga fotoana alohan’ny faha 12 taona na « ménopause » aorian’ny faha 55 taona arak’izany dia ambony kokoa ny « risques » hampisy homamiadan’ny nono.
Ankoatra izay dia misy ihany koa ireo anton-javatra hafa, toy ny fitondrana vohoka voalohany aorian’ny faha 30 taona, ny fihinanana fanafody fanabeazana aizana…
Ireo anton-javatra avy amin’ny fahazaram-piaina
Maro ireo anton-javatra avy amin’ny fahazaram-piaina sy ny tontolo izay mampitombo ny « risques » hahavoan’ny homamiadan’ny nono. Izy ireo moa dia azo hahintsy mba ho fisorohana ity aretina ity. Anisan’izany àry ny :
-Hatavezana, indrindra aorian’ny « ménopause ». Ny « tissu adipeux » na ny tavy dia mamokatra « œstrogènes » ka mampitombo ny « risques » ;
-Tsy fampihetsiketseham-batana, izany hoe mipetra-dava sy tsy manao fanatanjahantena ;
-Fisotroana toaka ;
-Fifohana sigara ;
-« Exposition » amin’ny « radiations à forte dose » eo anivon’ny tratra, toy ny « radiothérapie », alohan’ny faha 40 taona.



