Jirama : Tonga ny milina mpihary herinaratra miisa 10, hanoloana ireo efa antitra any amin’ny Faritra
Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny orinasa Jiro sy Rano Malagasy (Jirama), ho fanatsarana ny famatsiana herinaratra manerana an’i Madagasikara, ny fanoloana ireo milina mpihary herinaratra, izay efa maro no antitra sy osa. Miisa 10 tamin’izany karazana milina izany no tonga teny Ambohimanambola, omaly 4 febroary 2026.
Fanafoanana ny fahatapahan-jiro ara-teknika
Nametraka drafi-panarenana ny orinasa Jirama, ka isan’ny goavana ao anatin’izany ny tetikasa fananganana ivon-toerana famokarana herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Eo ihany koa ny fanoloana ireo fitaovana efa antitra, tahaka ireo milina mpihary herinaratra rehetra manerana ireo tobim-pamokarana any amin'ny Faritra. Ampahany voalohany amin'ireo milina vaovao no tonga teny Ambohimanambola, omaly, fa mbola ho avy rahampitso zoma 6 febroary kosa ny andiany faharoa. « Manana tanjaka mitotaly 2 MW ireto milina ireto, ka ny tobim-pamokarana izay manana tanjaka somary kelikely toa an'Antanambao Manampotsy sy Marolambo no hisitraka izany amin’izao voalohany izao », hoy ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny Jirama.
Miisa 116 ny totalin’ireo milina mpihary herinaratra andrasana ho avy, hatramin’ny volana mey 2026, izay nambaran’ny avy eo anivon’ny Jirama fa tetikasa madiodion’ny Fanjakana malagasy, iarahan’ny orinasa Jirama sy ny ministeran'ny Angovo sy ny Akoranafo manatanteraka. Tanjona ny hanafoanana tsikelikely ny fahatapahan-jiro ara-teknika any amin'ny Faritra.
Fanoloana vata mpanova herinaratra
Fa tafiditra ao anatin’ny drafi-panarenana ny orinasa Jirama ihany koa ny fanavaozana ireo vata mpanova herinaratra (transformateur). Nitsidika ny sampana misahana ny fitsinjarana herinaratra (Distribution Elec) teny Antanetibe Ilafy, omaly 4 febroary 2026, ny minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Ralitera Ny Ando Jurice.
Nisy fipoahana vata mpanova herinaratra tamin’ny toerana maromaro manerana an’i Madagasikara tato ho ato, indrindra tao anatin’ny fandalovan’ny andro ratsy teto amintsika. Mba hahafahana manolo azy ireny ao anatin’ny hamehana, dia nijery ireo vata mpanova herinaratra misy ao amin’ity ivon-toerana ity ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo, niaraka tamin’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Jirama. Nanomana ireo vata mpanova herinaratra hotsinjaraina any amin’ireo toerana nahitana fahasimbana ihany koa izy ireo. Efa niainga omaly ny ampahany tamin’ireo fitaovana ireo, toa ireo izay hanoloana ny simba any Mahajanga, izay tena mizaka ny takaitra navelan’ny rivodoza Fytia.




