• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Min San
Image
Vaovao

Fitsaboana : Nisitraka fitaovana manaraka ny toetrandro ny Hôpitaly Miaramila Soavinandriana sy Antsiranana

06/02/2026 10:04 © Moov

Ho fanatsarana hatrany ny fitsaboana sy ny fandraisana an-tanana ny marary dia nahazo fitaovana samihafa manaraka ny toetrandro ny Hôpitaly Miaramila Soavinandriana sy Antsiranana. Natolotra ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka, omaly, teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, izany.

Fitaovana maro samihafa

Ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kôlônely Randrianirina Mickael, no nanolotra izany, tamin’ny fomba ofisialy. Tao anatin’ny lahateniny no nanamafisany fa « isan’ny rafitra mampiavaka ny Foloalindahy azo hatsaraina sy havaozina mba hanaraka ny toetrandro ny hôpitaly miaramila ". Izany no antony nanomezana ireto fitaovana, izay manaraka ny toetrandro ireto, ihany koa. Tao anatin’izany ny fiara tsy mataho-dalana, mpitondra marary (ambulances) roa ho an'ny Hôpitaly Miaramila Soavinandriana sy ny Hôpitaly Miaramila Antsiranana. Teo ihany koa ireo « concentrateurs d'oxygène » miisa 12, ny « bouteilles d'oxygène » 16, fandriana hataorian’ireo marary miisa 16 ary ny « potences sérum » 40.
Isan'ny hôpitaly sangany eto Madagasikara ny hôpitaly miaramila noho izy mampisongadina ny haitarika sy ny fahaiza-manaon'ny miaramila no sady tan-tsoroka lehibe ho an'ny fahasalamam-bahoaka, hoy ny Filoha. Ho fanohanana ireo ezaka ireo sy ho fanomezana aina ny pôlitikan'ny fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, eo amin'ny fampiroboroboana ny sehatra ara-pahasalamana, araka izany, no nanaovana izao hetsika izao.

Nosafidiana manokana ireo Hôpitaly roa ireo

Miaramila no mpitondra amin’izao fotoana izao ary antony iray nisafidianana ny hanohanana azy ireo izany. Etsy ankilany dia nambaran’ny Filoha, ihany koa fa antoka lehibe mampahomby ny fifampitokisana sy ny fifanakaikezana misy eo amin'ny miaramila sy ny vahoaka ny fisian'ny hôpitaly miaramila. Nanentana ny rehetra ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, indrindra ireo mpisehatra ara-pahasalamana eo anivon'ny hôpitaly miaramila, mba hampiasa ireo fitaovana ireo am-pahamatorana sy am-pahamendrehana. Hampitovy tantana ireo rehetra tokony hisitraka izany, araka ny rariny sy ny hitsiny, ary hanamafy hatrany ny haitarika sy ny fahaiza-manao mampalaza ny hôpitaly miaramila.
Isan'ny ezaka lehibe sy dingana mbola hatao, hoy ny Filoham-panjakana, ny fanapariahana sampan-draharaha ilaim-bahoaka akaiky mba tsy hivangongo eto an-drenivohitra avokoa izy ireny, toy ny fanaovana "dyalise".

Lire la suite

Articles Similaires