• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Produir
Image
Vaovao

Lakandrano C3 : Mitohy hatrany ny asa fanadiovana sy fanamafisana ataon’ny tetikasa PRODUIR

05/02/2026 14:30 © Moov

Na dia ao anatin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra aza, mbola mitohy tsy an-kijanona ny asa fanadiovana sy fanamafisana ny lakandrano C3, ataon’ny tetikasa PRODUIR. Tokana moa ny tanjona dia ny fiarovana amin’ny tondradrano sy ho fanatsarana ny fahasalaman’ny mponina, eto Antananarivo.

Asa goavana hiarovana an’Antananarivo amin’ny tondradrano

Anisan’ireo fotodrafitrasa lehibe indrindra natao handrindrana ny fitantanana ny rano eto an-drenivohitra ny lakandrano C3. Nandritra ny taona maro, ny rano maloto miangona ao anatin’io lakandrano io, ny fotaka ary ny fako no miteraka ny tondradrano sy ny loto.
Nataon’ny tetikasa PRODUIR ho vaindohan-draharaha ity fanadiovana ny lakandrano C3 ity Hatramin’izao dia efa 95 980 m³ ny fotaka nesorina, raha tombanana ho 115 000 m³ ny totalin’ny fotaka tokony halana. Ankoatra izany, fako mirefy 6 390 m³ sy tsikafona maherin’ny 18 630 m³ no efa nalana sy nariana eny Andralanitra. Ireo asa ireo dia nanatsara be ny fivezivezen’ny rano, indrindra eny amin’ny faran’ny lakandrano ao Anosivavaka. Ho fanampin’izany, nanolotra vondrona mpiary herinaratra ho an’ny APIPA ny tetikasa PRODUIR mba hiantohana ny fitohizan’ny fitrohana rano rehefa misy fahatapahan-jiro. Tamin’ny taona 2025, nahavita nitroka rano 1,4 tapitrisa m³ io fitaovana io, ka nampihena betsaka ny loza mety hitranga.

Fanamafisana ny moron’ny lakandrano

Ankoatra ny fanadiovana, isan’ny asa tanterahin’izy ireo ihany koa ny asa fanamafisana ny moron’ny lakandrano C3. Efa vita 99 % ny asa amin’ny « berges urbaines », raha 38 % kosa ny an’ny « berges agricoles ». Mahatratra 58,5 % ny asa manodidina ny lakandrano. Vokatry ny tetikasa, mponina maherin’ny 500 000 no voaaro amin’ny tondradrano. Zava-dehibe ihany koa ny lafiny ara-pahasalamana, satria hita tao amin’ny ranon’ny C3 ny akora simika mampidi-doza toy ny akoran’afo sy metaly mavesatra. Nanomboka tamin’ny 2022 ity tetikasa ity ka nifarana tamin’ny 2025, saingy tafiditra ao anatin’ny vina maharitra ireo asa rehetra mbola mandeha amin’izao, fotoana izao.
Nanentana ny tetiaksa fa manadio no anajaran’izy ireo fa ndraikitry ny tsirairay ny fitandroana ny fahadiovana, satria miaro an’Antananarivo, iray manontolo, izy io.

Lire la suite

Articles Similaires