• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bluetens
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fanatanjahantena aorian’ny faha 40 taona : ireo fahadisoana mila tandremana

10/03/2026 10:57 © Moov.Mg

Fanapahan-kevitra tena tsara ho an’ny fahasalamana ny manomboka manao fanatanjahantena rehefa 40 taona mahery. Manampy amin’ny fanatsarana ny fiasan’ny fo sy ny lalan-dra, manamafy ny hozatra, manampy amin’ny fanaraha-maso ny lanja ary mampihena ny adin-tsaina ny fanaovana izany. Mila fitandremana kosa nefa ny fanatanterahana izany mba hisorohana ny mety ho ratra na fiovan-kevitra. Araho ary ireo fahadisoana lehibe mila fadiana rehefa hanomboka fanantanjahantena aorian’ny faha 40 taona.

Te hanovokovoka be avy hatrany

Anisan’ny hadisoana mahazatra indrindra eo amin’ireo olona manomboka na miverina manao fanatanjahantena aorian’ny faha 40 taona ny faniriana hanao fanazaran-tena mafy na ela loatra avy hatrany. Ny fieritreretana hanonitra ny fotoana very moa matetika no manosika azy ireo hanao izany.
Rehefa feno 40 taona mahery nefa dia mila fotoana bebe kokoa ny vatana hifanaraka amin’ny ezaka atao. Noho izany dia tsara kokoa ny manomboka tsikelikely, amin’ny fanazaran-tena fohy, ary mampitombo miadana ny hamafin’ny fanazaran-tena isan-kerinandro.

Tsy manao fanazaran-tena fanomanana (échauffement)

Hadisoana iray mety hampitombo ny loza ateraky ny ratra ny tsy fanaovana fanomanana alohan’ny fanatanjahantena. Avo kokoa moa ny « risques » mety aterak’izany eo amin’ny olona 40 taona mahery miverina na manomboka manao fanatanjahantena. Mila omanina mialoha ny hozatra, ny taolana ary ny tonon-taolana.
Ny fanomanana mandritra ny 10 ka hatramin’ny 15 minitra dia manampy amin’ny fampiakaran’ny hafanan’ny vatana, manatsara ny fivezivezena ary manomana ny fo sy ny lalan-dra amin’ny ezaka hatao.

Misafidy fanatanjahantena sarotra be avy hatrany

Misy olona misafidy fanatanjahantena tena mafy avy hatrany, toy ny hazakazaka mafy na fanazaran-tena mahery vaika. Tsara kokoa matetika ny manomboka amin’ny fanatanjahantena malefadefaka.
Anisan’ireo azo atao ohatra ny : mandeha haingana, mitaingina bisikileta, milomano na manao fanamafisana hozatra maivana. Ireo dia manampy amin’ny fananganana fototra matanjaka nefa tsy manavesatra loatra ho an’ny vatana.

Tsy mihaino ny hafatra alefan’ny vatana

Zava-dehibe ny fihainoana ny vatana rehefa mihoatra ny 40 taona. Ny fanaintainana maharitra, ny havizanana tafahoatra na ny fahatsapana marary ao amin’ny tonon-taolana dia isan’ireo famantarana tokony hotandremana.
Ny fanohizana manao fanatanjahantena na dia efa misy aza ireo soritr’aretina ireo dia mety hitarika ratra lehibe kokoa. Indraindray dia ilaina ny miala sasatra na mampihena ny hamafin’ny fanazaran-tena.

Manadino ny fotoana fialan-tsasatra sy famerenana aina

Zava-dehibe toy ny fanazaran-tena ihany koa ny fialan-tsasatra rehefa manao fanantanjahantena, indrindra rehefa 40 taona mahery. Rehefa mihalehibe ny olona dia mila fotoana bebe kokoa ny vatana vao miverina amin’ny laoniny.
Tsara ny mamela andro fitsaharana eo anelanelan’ny fanazaran-tena, matory tsara ary mihinana sakafo voalanjalanja mba hanampy ny vatana hanarina ny hozatra sy ny hery.

Lire la suite

Articles Similaires